Lavon’ny balan’ny polisy ireo jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, afokomaly. Azo sambo-belona kosa ny iray hafa. Anisan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nisesisesy teto Antananarivo Renivohitra izy ireo. Nataon’ny polisy hazalambo izy ireo ary voasambotra tao amin’ny trano iray tetsy Ankazotoho. Ahina ho anisan’ireo andian-jiolahy nanao fanafihana mitam-piadiana tetsy Andohan’Analakely […]
Tranga
Tsy fandriampahalemana – RN2: Kamiao nitondra kojakojan-drano voatafika
Anisan’ny tahotry ny mpitatitra amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly ny fisian’ny dahalo mpanafika fiara eto amin’ny Nosy, indrindra ny lalam-pirenena. Nitrangana asa fanafihana fiara lehibe iray, afakomaly alina, teo anelanelan’i Brickaville sy i Marozavavy. Kamiao iray lehibe, nitondra “conteneur” misy fitaovana fikirakira momba ny rano, io voatafika io, raha ny […]
Niambina gisa : Ankizivavy roa maty tao anaty lavadrano
Ankizy roa vavy maty nilatsaka tao anaty lavadrano tamin’ny alatsinainy lasa teo, tao amin’ny fokontany Ampamohokely, kaominina sy distrika Andilamena. Samy efa-taona izy ireo. Hita ny talata teo kosa ireo vatana mangatsiakan’izy roa ireo. Nandeha niandry gisa ny ankizivavy miisa telo, ny alatsinainy. Nafana be ny andro, nandeha nandro tamin’ny […]
Vokatry ny ora-mikija: Tafakatra 7 ny maty!
Tafakatra fito ny namoy ny ainy vokatry ny andro ratsy manerana ny Nosy. Anisan’izany ny maty tototry ny tany sy nianjeran’ny trano. 13 159 ny isan’ireo traboina mila tolo-tanana. Taorian’ny orambe nanomboka ny 14 febroary 2025, teto amin’ny Nosy, tafakatra fito ireo olona maty, raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly […]
Tsaratanàna : Ankizy telo maty tao anaty lavadrano
Ankizilahy telo, maty latsaka tao anaty lavadrano, tao Manonga Sarobaratra, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly maraina. 4 taona ny roa tamin’ izy ireo, ary telo taona kosa ny iray. Nilalao teo amoron’ilay lavadrano, metatra vitsivitsy miala ny trano fonenany ao Antongomena Manonga, izy telo lahikely ireo. Nibolisatra noho ny halaman’ny toerana, raha […]




