Tranga

Voatifitra : jiolahy nangala-bary iray gony

Lavon’ny balan’ny zandary, nandritra ny fifandonana afakomaly, ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana tao amin’ny fokontany Alatsinainy Ankitsikitsika, kaominina ambanivohitr’Antsahalava, distrikan’Antanifotsy. Efa-dahy ry zalahy no tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity ka tratran’ny fokonolona ny iray tamin’izy ireo. Avy nandroba tokantrano iray tao amin’ity fokontany ity ireo jiolahy tamin’io fotoana io. […]

Alasora: jiolahy efa-dahy rotiky ny balan’ny polisy

Jiolahy mitam-piadiana efa-dahy indray lavon’ny mpitandro filaminana teny amin’ny kaominina Alasora, ny alin’ny talata 31 oktobra teo. Nirefodrefotra ny basy teny Ankona, kaominina Alasora, afakomaly alina. Jiolahy dimy lahy nifanandrina tamin’ny polisim-pirenena. Manoloana ny asan-jiolahy miseholany eto an-drenivohitra, nanao hetsika ma­no­kana ny mpitandro filaminana. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana ireto olon-dratsy […]

Nampangain’ny kapa sy ny valizy: jiolahy namono nahafaty ny mpampiasa azy

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Manakara, omaly, ireo jiolahy telo tompon’antoka ta­mina vonoan’olona feno habibiana. Ny 26 oktobra 2023, vehivavy iray no niharan’ny vonoan’olona feno habibiana tany amin’ny faritra Sava. Lasa nilefa nihazo ny kaominina Sahasinaka avy hatrany ireo nahavanon-doza taorian’izay. Nahazo fampitam-baovao mom­ba izany ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra […]

Resin-tory tao anaty ala : dahalo maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifanandrinan’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo mpangalatra omby tao Lavaha Tsararano, kaominina Manambidala Vondrozo, ny sabotsy 28 oktobra teo. Nitrangana halatra omby tao amin’ny tanàn’Andranolava, kaominina Andoharano, distrikan’i Vondrozo ny alakamisy 26 oktobra teo. Nanara-dia ny fokonolona ka tratra tao amoron-dranon’i Manampatra, ny dahalo iray […]

Hazo mivoa-dra : zaza roa taona namoy ny ainy tany Antalaha

Tsy mampino ! Raim-pianakaviana nanapaka hazo masina mandeha ra no namoy ny zanany vavikely. Voalaza fa nanangatra ity farany, ka nilaza fa mbola hisy olona fito hafa ho faty ! Mbola misy ireo hazo masina sy tany ma­nan-kasina any amin’ny faritra sasany ! Nitrangana trangan-javatra hafahafa tao amin’ny fokontany Ambalai­voka, kaominina ambanivo­hitr’Antanananambo, distrikan’ […]