Nisy vonoan’olona mahatsiravina tao Salazamay, parisela 14/21, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, tokony ho tamin’ny 9 ora sy 15 mn. Tovolahy mpiambina tanàna ana teratany frantsay saika hidiran-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana. Niantso vonjy ilay mpiambina. Vokany, notsatotsatohan’ireo jiolahy antsy izy ka maty tsy tra-drano. Na teo aza izany, tsy tafiditra […]
Tranga
Mpisandoka ho mpampitombo vola : Milaza ho misy kalanoro, lehilahy iray nosamborina
Voasambotry ny zandary, omaly, ny raim-pianakaviana iray milaza ho mpampitombo vola. Mandroboka ny lasibatra amin’ny resaka kalanoro izy. Voasambotry ny zandarimaria ao Amborovy, omaly maraina, tany an-toerana, ao antampon-tanànan’i Mahajanga, ny lehilahy iray misoloky ho kalanoro. Mivondrona ao anaty tambajotrana Dadibe na kalanoro izy io. Lasibatra tamin’ny asa ratsiny ny […]
Tara fodiana : Mpivady niara-maty lasan’ny ranotrambo
Hita ny sabotsy maraina tamin’ny 9 ora, niara-namoy ny ainy, ny mpivady avy niasa, tao amin’ny fokontany Ambatolampikely, kaominina Ambatomiady, distrikan’Antanifotsy, lasan’ny rano ny alin’ny zoma 14 febroary teo. Nivarotra toy ny mahazatra azy ireo, namonjy fodiana izy mivady. Nitaingina moto, nikasa hiampita ny renirano no sendra ny ranotrambo tampoka […]
Arivonimamo : Nanentana ny mpianatra ny zandary
Nidina ifotony teny anivon’ireo sekoly tany amin’ny CEG sy Lycée Coindre Arivonimamo, ny borigadin’ny zandary any Arivonimamo, omaly. Nanao fanentanana an’ireo mpianatra mahakasika ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izy ireo, nandritra izany. Ankoatra izay, mba hahafahana miady amin’ny karazana herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy. Eo koa ny ady amin’ny […]
Kamiao nihitsoka familiana : Olona iray maty tsy tra-drano, roa hafa naratra
Renim-pianakaviana, 74 taona, maty tsy tsa-drano vokatry ny fianjeran’ny kamiao iray nandehanany, afakomaly, tany Ifanadiana. Voatsindrin’ilay fiara izy ka nitarika ny fahafatesany. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafaty olona iray tany amin’ny lalam-pirenena, RNT 14, mampitohy an’Ifanadiana sy Ikongo, PK10+80, afakomaly. Niseho tao Mangalahenatra, fokontany ao ihany, kaominina ambanivohitra Ambiabe, distrika Ifanadiana, ny […]




