Fonenan’ny dahalo sy ny fianakaviany ny tanànan’Ankitikitika. Noravan’ny zandary izany ny 10 desambra teo. Olon-dratsy roa lahy lavo, tsy hita popoka ny namany. Maty voatifitry ny zandary ny dahalo roa lahy fantatra amin’ny solon’anarana hoe Ankavanany sy Hamena tao amin’ny tanànan’ Ankitikitika, distrikan’i Maintirano, ny 10 desambra teo. Nitsoaka tsy […]
Tranga
Antsohihy : Kaporaly maty voakapa famaky ny lohany
Maty nokapain’ny dahalo ny famaky teo amin’ny lohany ny miaramila kaporaly iray tao Anjiamangirana, distrikan’ Antsohihy, ny alatsinainy alina teo. Nandritra ny fanarahan-dia no nitrangan’ny fifandonana. Vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany ity miaramila kaporaly ity. Nisy fifampitifirana teo amin’ireo dahalo sy ireo miaramila mpampandry tany satria manao fampandrian-tany amin’iny […]
Anosipatrana: maty voatifitra ilay jiolahy saika hamono polisy
Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosipatrana, ny talata 12 desambra teo. Inspektera iray naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny jiolahy. Lavon’ny mpitandro filaminana ny jiolahy iray tamin’ireo efa-dahy nikasa hamono inspektera tetsy Anosipatrana, ny fiatombohan’ny herinandro teo. Nofofoin’ireo olon-dratsy ireo ny ain’io polisy io. Voa mafy teo amin’ny lohany ilay inspektera ka […]
Sinoa very vola 170 tapitrisa Ar : Roa lahy voaheloka mandra-pahafaty ao Toamasina
Voaheloka mandra-pahafatiny sy namoahana didy fampisamborana Randriambelonony sy Tangamanana Berthin. Io ny didy navoakan’ny fitsarana ao Toamasina, omaly. Hentitra ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly, nandritra ny fotoam-pitsarana andiany faharoa, hamaranana ny taom-pitsarana taona 2023. Niaka-tsehatra teo anatrehan’ny fitsarana ny antontan-taratasin’ady laharana faha-50-Toa/22-944-RP/21, izay hanenjehan’ny fitsarana […]
Anjozorobe : mpaka an-keriny telo lahy rotiky ny bala
Tratra ihany ny lehiben’ny dahalo malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Niara-namoy ny ainy izy sy ny namany roa lahy. Nokarohina hatry ny ela, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana nanao hetsika manokana tao amin’ny fokontany Ambohitsoa, kaominina Beronono, distrikan’Anjozorobe, i Leba, mpitarika dahalo, afakomaly. Ikoizana amin’ny halatra omby sy […]