Nipitika ny tongotr’ilay olona maty, voadonan’ny fiara teny Ambohitrimanjaka. Hatry ny omaly, tsy mbola fantatra ny momba azy. Atao andrimaso eny amin’ny hopitaly ireo zatovo lahy sy vavy nitondra ilay fiara tra-doza nandritra ny andrana nataon’izy ireo. Tsy mbola hita ny havan’ ilay lehilahy maty sy potika voadonan’ny fiara teo […]
Tranga
Nifampitifitra tamin’ny dahalo: Lambamena iray maty, efatra naratra
Dahalo efatra sy lambamena iray namoy ny ainy nandritra ny fifandonana mahery vaika tao amin’ny fokontany Amboasary, kaominina Ambatomainty, distrikan’Ikalamavony, ny talata 20 mey teo. Nanao fanarahan-dia niaraka tamin’ny mpitandro filaminana ny vatan-dehilahy antsoina hoe lambamena. Handrava ny dahalo ekipan-dry Libertin izy ireo. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika anefa ireo olon-dratsy. […]
Ampasika : Zazakely dimy volana narian’ny reniny
Zazalahy kely tokony ho dimy volana eo, nisy nanary sy nametraka tetsy Ampasika manamorona ny tetezana sy ny reninan’Ikopa, omaly tamin’ny 2 ora latsaka fahefany atoandro. Tsy nisy taratasy nahafantarana ny momba ilay tompon’antoka nanary ity zaza ity teny an-toerana sy ny manodidina nahitana ilay zaza. Raha ny fanazavana voaray […]
Ambatopotraka : Fasana efatra vaky, razana aman-jatony lasan’ny olon-dratsy
Tsy mitsaha-mirongatra ny vaky fasana sy ny halatra taolam-paty. Fasana efatra indray novakian’ny olon-dratsy, omaly, tany amin’ny fokontany Amboniloha, kaominina ambanivohitra Imerimandroso. Razana aman-jatony lasan’ireo jiolahy nandritra izany. Fasana efatra indray nisy namaky tany Ambatopotraka, fokontany Amboniloha, kaominina ambanivohitra Imerimandroso, disitrikan’Ambohidratrimo, omaly. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny razana aman-jatony maro tao […]
Anosibe : Mpanendaka maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR) tetsy Anosibe, ny jiolahy iray, afakomaly tamin’ny 7 ora hariva. Malaza amin’ny fanaovana asa fanendahana miharo herisetra sady mpanao sinto-mahery izy io. Nikasa hanendaka mpandeha an-tongotra hamonjy fodiana teny Anosibe ity jiolahy ity sy ny […]





