Olona efatra, lehilahy roa sy vehivavy roa, niara-maty nilatsaham-potaka omaly tamin’ ny 5 ora hariva, tany amin’ny fokontany Ambalabe, kaominina Andranomiditra, faritra Matsiatra Ambony. Tonga tao an-trano vao avy nanetsa, tany Androingivy, ny olona enina niaraka tamin’ny zaza roa hafa no nipoaka ny varatra, raha ny fanazavana voaray avy any […]
Tranga
Mahavoasazy : Voarara ny fanaovana sy fivarotana akanjo miaramila
Mahavoasazy ny fanaovana sy fivarotana akanjo miaramila. Betsaka loatra ny jiolahy mampiasa ireny akanjo ireny, entiny hanaovany ny asa ratsy ka antony nandraisana ny fanapahan-kevitra, raha ny tatitra voaray avy amin’ny Emmo-nat, omaly. Hisy, araka izany, ny fisavana sy fanaraha-maso eny rehetra eny manomboka izao, raha ny fanazavana voaray. « Hatramin’ny […]
Fanapoizinana tamin’ny sakafo : 41 mianaka narary tany amin’ny mariazy
Niara-naiditra hopitaly ny olona 41 mianaka, omaly. Voapoizina tamin’ny sakafo izy ireo, tamin’ny sabotsy lasa teo. Avy namonjy fiaraha-misakafo tamin’ny toerana fandraisana lanonana iray. Olona 41, miara-tsaboina eny anivon’ny hopitaliben’i Tambohobe-Fianarantsoa, nanomboka omaly. Niara-nifety sy namonjy lanonana fampiakaram-bady tany amin’ny trano fandraisana lanonana iray tany Antsororonkavo Mahamanina izy ireo, ny […]
Tapakala – Toamasina : Raim-pianakaviana natelin’ny ranomasina
Raim-pianakaviana iray tra-doza natelin’ny ranomasina tao Tapakala, anatin’ny kominina manakaiky tanàna Toamasina ambanivohitra, tokony ho tamin’ny 3 ora tolak andro sy 50 minitra, ny alahady 9 febroary teo. Hatramin’ny fotoana hanoratana ny lahatsoratra, mbola tsy hita izay misy azy. Manao ny fikarohana kosa ny rehetra indrindra ireo fianakaviana sy ireo […]
Famonoan-tena: Renim-pianakaviana hita faty nihantona
Vehivavy 24 taona hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao amin’ny kaominina ambanivohitra Manambolosy, distrikan’i Mananara Avaratra, afakomaly. Nofatoran’io renim-pianakaviana io tamin’ny hazon-tafo ny lamba mahazaka tao aminy. Nahodiny tamin’ny faritry ny tendany izany. Nanampitra ny ainy io tady nahantony io. Mponina manodidina azy ireo no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa. […]




