Tranga

Asan-jiolahy tetsy Ambohidratrimo: Tokantrano voaroba 80 tapitrisa Ar

Nongotan’ny olon-dratsy ny karakara vy “grille de protection” tamin’ny varavarankely, norobain’ny jiolahy nitondra basy ny tokantrano iray, tao Ambohidratrimo. Lasa ny volabe an-tapitrisany. Nampiasa tohatoha-kazo, nanongotra ny fiarovana teo amin’ny varavarankely tamin’ny alalan’ny “barre à mine” ny andian-jiolahy nitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambohitsiroa, kaominina Ambohidratrimo, ny alin’ny alakamisy 15 mey […]

Lozam-pifamoivoizana tetsy Itaosy: Nalefa eny Antanimora ilay mpilalao sarimihetsika

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana am­baratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha nahavoasaringotra mpilalao sarimihetsika iray. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora izy taorian’ny fivoahan’ny didy. Voarohirohy tamin’ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tetsy Bemasoandro Itaosy, ny alin’ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 11 ora, izy. Tsiahivina, nitondra fiara marika Mercedes-Benz CLK izy tamin’io fotoana […]