Tranga

Avaratra Antanimora: ankizivavy 6 taona naolana tany anaty ala

Nisy nibata tao am-pandriana, tao an-tranony, tetsy Avaratra Antanimora ny ankizivavy vao enin-taona mon­ja, afakomaly alina. Hita tany anaty ala teny amin’ny manodidina izy io, omaly ma­raina. Fantatra taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo fa voaolana izy. Tsiahivina, nandeha nitsena ny reniny izay mbola taraiky niasa alina tany ivelan’ny trano ny olon-dehibe […]

Ady lova: lehilahy namono nahafaty ny reniny

Maty voatifitry ny mpitandro filaminana, ny zoma 16 mey teo, ilay lehilahy namono nahafaty ny reniny tao Ma­haly, fokontany Anaviavy, kaominina Iamonta, distrikan’i Vondrozo.  Niketriketrika haka ny lova io lehilahy io. Ny reniny izay mbola velon’aina soa aman-tsara no novonoiny. Novelesiny teo amin’ny faritry ny lohany io reniny izay efa […]

Nosy varika – Raim-pianakaviana voasambotra: mitaky ny hamoahana azy ny mponina

Notanana natao andrimaso eo anivon’ny tobim-paritra Nosy Varika, amin’izao fotoana izao, ny lehilahy iray voalaza fa saika hampamono sefo fokontany tany amin’ny fokontanin’ Ambatoseza. Tonga nanatitra azy io tany amin’ny zandary any an-toerana ny miaramila telo lahy avy ao amin’ny 2ème Compagnie Vohimanoro, ny alarobia 14 mey, tamin’ny 04 ora […]

Mandrimena Andoharanofotsy: mpitondra moto maty nidona tamin’ny kamiao simba

Namoa-doza indray ny fiara lehibe mpitatitra, simba, nijanona tamin’ny arabe tetsy Andoharanofotsy, ny sabotsy alina teo. Tsy nametraka mari-pamantarana manambara ny fijanonany. Tovolahy iray nitondra moto scooter maty rehefa nidona taminy. Maty tsy tra-drano, nidona tamin’ny vodina fiara lehibe iray tetsy amin’ny lalam-pirenena fahafito, PK 10 + 600, Mandrimena Malakialina, […]

Tratra nivarotra rongony : Telo lahy nalefa eny Antanimora

Notanana eny amin’ny fonjan’Antanimora ireo telo lahy mpivarotra rongony, taorian’ny fampanoavana, afakomaly. Nanao fisafoana teny amin’ny kaominina Ambohimangakely ny zandary, ny alin’ny alatsinainy 12 mey teo. Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana, vaky trano nifanena tamin’izy ireo. Nikasa handositra avy hatrany io mpanao ratsy io rehefa nahatazana ny mpitandro […]