Tranga

Vaky fasana: Jiolahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana vaky fasana narahina halatra taolam-paty tao amin’ny tanàna Fanatsarana, fokontany Ampasimadinika, kaominina Antanambao Manampotsy, afakomaly alina. Jiolahy fito ireo voalaza fa nanatanteraka izany asa ratsy izany, raha ny angom-baovao. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ireo ary voasambotra tany Ampasimadinika ny iray tamin’izy ireo. Tsy navelan’ny fokonolona raha tsy tapitra ny ainy. […]

Nifampikapoka tavoahangy : Lehilahy iray maty, iray hafa naratra

Raikitra ny fifamaliana teo amin’ny samy mpinamana vokatry ny tsy fahazakana zava-pisotro misy alikaola, omaly, tany Ampitakely, Fianarantsoa. Tovolahy iray no namoy ny ainy vokatr’izany. Raha toa ka naratra kosa ny namany iray. Nitrangana adin’ny samy mpinamana tao amin’ny toeram-pisotroana iray, any Ampitakely, Fiana­rantsoa, omaly. Nisy tsy fifanarahana teo amin’ireo […]

Karohina ny mpamily : Lehilahy maty voadonan’ny fiara

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny lalana akaikin’ny Clinique Malaza Andoharanofotsy, afakomaly alina tamin’ny 9 ora latsaka teo. Maty tsy tra-drano, voadonan’ny fiara tsy fantatra, ny lehilahy iray. Nampandre ny zandary avy ao Andohara­no­fotsy ny olona tsara sitrapo fa misy olona mitsirara sy maratra mafy eny an-toerana. Nidina nijery ny zava-misy teo […]

Dahalo raindahiny : Lavon’ny balan’ny zandary i Fidel kely

Maty lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena Tsiroanimandidy, i Fidel kely, afakomaly tamin’ny 3 ora maraina. Nahazo antso avy amin’ny mponina any an-toerana ny zandary fa misy dahalo 15 lahy mitondra basy mandalo ny kizo any Borikely, fokontany Vohimasina, kaominina ambanivohitra Belobaka, distrika Tsiroanimandidy talohan’io tranga io. […]

Entana halatra tetsy Behoririka: 11 voasambotry sy nosamborina

Nanomboka ny 5 febroary lasa teo, tafakatra 11 ireo olona voarihorohy sy voasambotra tamin’ilay halatra entana solosaina 37 sy bisikileta elektrika tetsy Behoririka. Voasambotra omaly ny 8 tamin’izy ireo. Niampy valo indray ireo mpandray entana tsy ara-dalàna tamin’ilay halatra entana: bisikileta elektrika sy solosaina 37 tao amin’ny tranombarotra informatika iray […]