Lehilahy iray 47 taona namoy ny ainy vokatry ny kaikitry ny alika romotra nahazo azy, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva. Tsy tana teny an-dalana nitondrana azy teny anivon’ny hopitaly CHRR Maevatanàna ny ainy. Voakaikitry ny alika romotra tamin’ny volana febroary 2025 lasa teo ity farany fa tsy nety nankany amin’ny […]
Tranga
Famonoana an’i Raissa kely: hiatrika fampanoavana anio ireo voarohirohy
Nohainoin’ny polisy misahana ny fikarohana heloka bevava teny Anosy, hiatrika fampanoavana anio, ireo olona voasaringotra tamin’ny raharaha fahafatesan’i Raissa kely. Tsy hilefitra amin’izay nahavanon-doza nahafaty an’i Raissa ny fitsarana fa hampihatra avy hatrany ny sazy, araka ny nambaran’ny lehiben’ny Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, Rakotoniaina Narindra Navalona, omaly. “Efa […]
Vazaha mivady voaroba: Voasambotra tany anaty ala ny mpiambina
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpiambina roa lahy tao amin’ny trano fonenan’ny teratany vahiny iray sy ny vadiny, tao amin’ny kaominina Antanamitarana, distrikan’Antsiranana II, ny alahady 13 mey teo. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ ny trano fonenan’io raim-pianakaviana io sy ny vadiny. Dimy lahy niditra an-keriny ka nampihatra herisetra avy hatrany. […]
Fifamaliana : Lehilahy maty voatsindrona antsy
Lehilahy iray 17 taona maty notsatohan’ny namany antsy, tany amin’ny tsenan’ i Bejofo, fokontany sy kaominina ambanivohitra Ankadinondry, distrikan’i Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, afakomaly. Hitan’ny olona nifamaly sy niady ny lehilahy roa tao amin’io tsenan’i Bejofo io, tokony ho tamin’ny 6 ora sy 20 minitra hariva. Nandray antsy ny iray tamin’izy […]
Lozam-piarakodia teto an-dRenivohitra : Olona efatra maty tanatin’ny roa andro
Nahatratra efatra ireo olona matin’ny lozam-piarakodia niseho teto an-dRenivohitra tanatin’ny roa andro, afakomaly sy omaly. Telo namoy ny ainy nandritra ny fifandonana niseho tetsy Tsarasaotra, afakomaly. Vokatry ny tsy fitandreman’ ny mpampiasa lalana avokoa ny nahatonga ireo lozam-pifamoivoizana ka nitarika tamin’ny famoizana aina. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona telo teny amin’iny […]





