Nahery vaika ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo mpangalatra omby tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana, afakomaly. Lavo ny dahalo mpikotrika halatra omby. Nitsoaka mpitandro filaminana nisambotra azy, atidoha mpikotrika halatra omby roa lahy maty voatifitra tao amin’ny kaominina Tamponala, afakomaly. Nosamborin’ny zandary izy roa lahy ireo. Nentina atao […]
Tranga
Isotry- Mpiantsena maraina : voatsatoka antsy teo amin’ny tendany
Sady voaendaka no voatsatoka antsy ny renim-pianakaviana iray, omaly, teny Ambalavao Isotry. Notrobarana ny tenda sy ny takibany raha hamonjy fodiana avy naka entana maraina. Nendahin’ny jiolahy roa nitondra antsy lavalela ny renim-pianakaviana iray 36 taona teny Ambalavo Isotry, omaly vao maraina. Notsatohan’ireo olon-dratsy antsy izy, raha nikasa haka fiara […]
Ambodimita : norarahana lasantsy ny biraom-pokontany
Niredareda nandritra ny ora iray ny afo teo amin’ny biraom-pokontany Ambodimita, boriborintany fahenina, afakomaly alina. “Nahare olona nikasokasoka tao ivelan’ny trano izahay ary nisy fofona lasantsy noho ny avy eo”, hoy ny nambaran-dRahanitriniaina Lalao, izay mifanalo-bodirindrina amin’ny biraom-pokontany. Nirehitra ny tohatra eo amin’ny trano misy ny biraom-pokontany ka nivoaka avokoa […]
Bala tetsy Mahamasina : misokatra ny fanadihadiana lalina
Bala iray fampiasa amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika nilatsaka tamin’ny tany nandritra ny savorovoro, tetsy Mahamasina, omaly. Misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana. Karohina ny tompon’antoka nitondra ny fitaovam-piadiana ka nahatonga ny bala tena izy iray nilatsaka teny Mahamasina, raha ny nambaran’ny mpitandro filaminana, omaly. Nandritra ny sakoroka nifandonan’izy ireo sy ny […]
Ankadikely Ilafy : mpivady niara-naiditra am-ponja
Niaraka notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo mpivady nahatrarana moto halatra tao amin’ny fokontany Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, ny 5 novambra teo. Nitrangana vaky trano teny amin’ny fokontany Belanitra, anatin’io kaominina io, ny alin’ny 4 novambra. Very tamin’izany ny moto scooter iray sy ny vilany tao an-tokantrano. Naharay fampahafantarana anefa […]