Mampihoron-koditra ny zava-nanjo an’i Tricha, ilay zanaka vavin’ny mpihira Fandrama. Efa ora dimy taorian’ny namonoana azy vao hitan’ny fianakaviana tao an-trano ihany ny razana. Naolana, nofatorana tongotra aman-tanana, nokendaina sy nodarodarohana, santionany tamin’ny zava-doza niaretan-dRavao Marie Tricha, zanaky ny mpanakanto Fandrama, mialoha ny nahatapitra ny ainy. Ireo no tombana voalohany […]
Tranga
Kaominina Brieville : Mpaka an-keriny maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Malamamaina, kaominina Brieville ny dahalo mpaka an-keriny, ny zoma 25 avrily teo, tamin’ny 4 ora. Mpaka takalonaina tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, voasambotry ny mpitandro filaminana ny 23 avrily lasa teo, tao amin’ny fokontany Antsampandrano io olon-dratsy io. Noterena hilaza ny toerana hisitrihan’ireo mpiara-manao […]
Tsy nahazaka resy tamin’ny domy: Lehilahy nanindrona antsy voasambotra
Niara-nilalao daomy tany Tsararivotra, distrikan’i Mampikony, ny lehilahy miisa telo ny 26 avrily 2025 lasa teo. Nisy ny tsy fifankahazoana teo amin’izy ireo nandritra ny lalao ka namoaka antsy ny lehilahy iray tamin’izy ireo. Notsindrominy tamin’izany avy hatrany ireo mpiara-milalao roa hafa. Vokany, naratra teo amin’ny tanany ireo lasibatra. “Tsy […]
Tafaporitsaka ny tompony : Rongony 60 kg saron’ny zandary
Tratra ny rongony nafatratra tao anatin’ny gony miisa sivy tao amin’ny fokontany Ambohitsara, kaominina Matsondakana, distrikan’i Befandriana Avaratra, ny sabotsy 26 avrily teo. Nentina andian’olona io entana io, ny hariva tamin’ny 7 ora. Nosavain’ny zandary avy hatrany ireo mpitatitra entana nampiahiahy ireo. Natsipin’izy ireo anefa ny gony ary nirifatra nandositra […]
Namaky biraon’ny kaominina: Roa lahy nandroba 1 tapitrisa Ar naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana, ny sabotsy 26 avrily teo, notanana vonjimaika any am-ponja ireo roa lahy namaky ny biraon’ny kaominina Ambatolaona. Novakian’izy ireo ny fitehirizam-bola ka lasa ny 1 tapitrisa Ar. Roa lahy nohazonina vonjimaika any am-ponja, ny sabotsy 26 avrily teo, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Nandray anjara mivantana tamin’ny famakiana ny […]





