Tranga

Antohomadinika : Jiolahy roa lahy maty voatifitra

Nifanenjehan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny UIR, CUI niampy ny SUT, jiolahy roa lahy niara-lavon’ny tifitra teny amin’ny fokontany IVO Antohomandinika, ny amin’ny alakamisy 23 janoary teo. Renim-pianakaviana iray niharan’ny fanendahana nataon’ny olon-dratsy tamin’io fokontany io. Dimy lahy ireo nanao ny asa ratsy. Naharay fampandrenesana, nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ny toerana […]

Antetezanafovoany I : Roa lahy niara-matin’ ny herinaratra

Tovolahy roa samy 17 taona, niara-matin’ny herinaratra tetsy Antetezanafovoany I, omaly maraina. Nanavotra ilay namany ny iray kinanjo niharan-doza izy roa lahy. Nitsirara tamin’ny tany, niendaka avokoa ny hoditra tamin’ny iray amin’ireo roa lahy may ny herinaratra tetsy amin’ny fo­kontany Antetezanafovoany I, boriboritany voalohany, oma­ly vao mangirandratsy. « Han­deha hivoaka ny […]

Distrikan’i Tsihombe : Ankizivavy 16 taona hita faty tapa-doha

Notapahan’ny tsy matahotody ny lohan’ilay ankizivavy vao 16 taona tao Marovato, distrikan’i Tsihombe, ny alin’ny talata hifoha ny 22 janoary teo. Mpandalo no nahita ny fatin’io olona nisy namono io. Nariana tany amin’ny toerana nangingiana ny vatan’io ankizivavy vao erotrerony io. Nentin’ireo jiolahy nanaraka azy ny lohany. Niezaka nikaroka ireo […]

Anjozorobe : Takalonaina efatra maty notifirin’ny dahalo

Notifirin’ireo dahalo mpaka an-keriny afakomaly, ireo vehivavy efatra taka­lonaina nalain’izy ireo tao amin’ny tanànan’Ambohibary Vohi­lena, ny 12 desambra lasa teo. Nentin’ireo olon-dratsy ireo vehivavy, izay 16 taona ny zandriny indrindra raha toa ka 40 taona ny zokiny. Nitaky lelavola 20 tapitrisa Ar isanisany ho sandan’ny famotsorana ireo lasibatra ny dahalo. […]

Ambohitrimanjaka: Rongony 1 taonina nodorana

Nahazo alalana avy amin’ny fitsarana, nodoran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina ny rongony nilanja 1 taonina natao teny Ambohitrimanjaka, omaly. Azon’ny mpitandro filaminana noho ny fisavana tampoka sy ny loharanom-baovao tany amin’ny lalan’Antsirabe ireo zava-mahadomelina ireo ny 8 sy ny 10 janoary teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa misy […]