Tranga

Fanondranana olona antsokosoko : Enina mianadahy nalefa eny Antanimora

Enina mianadahy niray tsikombakomba manondrana Malagasy miasa any amin’ny tany arabo tra-tehaky ny polisy. Nalefa eny Antanimora tao­rian’ny fampanoavana ireo voasaringotra, ny 21 janoary teo. Nihaodihaody teny Anosy tao amin’ny toerana fanao­vana pasipaoro, olona am-polony nampiahiahy ny mpitandro filaminana. Nanaovana fanadihadiana lalina ny momba ny tany handehanan’izy ireo. Nandrisika azy […]

Ankadimbahoaka : jiolahy raindahiny lavon’ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny Service anti-gang (Sag), ny alin’ny sabotsy teo, tetsy Ankadimbahoaka ny jiolahy raindahiny iray. Azo sambo-belona kosa ny iray. Maty voatifitry ny polisy, ny sabotsy alina teo, ny jiolahy iray nikoizina sy raindahiny tamin’ny asa fanendahana teto Antana­na-rivo. Lavo nandritra ny fifanjevoana sy fifanenjehana teo amin’ny […]

Fifamalian’ny mpivady : Maty notsatohan-dRangahy antsy ny vadiny

Nitrangana ady mivady niharo herisetra ka niafara tamin’ny fandatsahan’aina ta­ny Bealanana II, omaly maraina. Tsy nahatana ny hatezerany diso tafahoatra ny lehilahy iray manodidina ny 24 taona, nandritra ny fifamaliana nisy teo amin’izy mivady. Naka antsy izy avy eo ary notsatohany tamin’io fitaovana maranitra io ny vadiny. Ani­san’ny voatsatoka mafy […]