Tranga

Nafenina tanaty gony : basy kalachnikov sy basim-borona roa hitan’ny zandary

Basy kalachnikov iray niaraka tamin’ny basim-borona roa no hita nofonosina tao anaty gony ary nafenina anaty lavaka tao Tsipan­galava fokontany Miadam­paonina, kaominina amba­nivohitr’Ambandrika, afakomaly. Nahitana fitaovan-dakozia toy ny sotro sy vilia ary vilany nofehezina anaty lamba koa niaraka tamin’ireo fitaovam-pidiana ireo. Fan­tatra, araka ny fanazavan’ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny […]

Lalam-pirenena fahefatra : nosokirina tao anaty kamiao ny fatin’ilay mpamily

Namoizana ain’olona indray ny lalam-pirenena fahefatra, omaly maraina. Kamiao lehibe roa nifandona . Vokany, namoy ny ainy ny mpamily iray, 53 taona. Nifampisokirina tao ana­tin’ny kamiao nentiny, ny fatin’ny mpamily iray niharan-doza teo amin’ny RN4, PK 202+500, fokontany Manjaka Avaradrano, kaominina Ma­ha­tsinjo, Distrika Maevatanana, omaly maraina. Niala an’Anta­nanarivo nikasa hihazo […]

Kinininabe Itaosy: tratra ireo jiolahy mpamaky trano

Ravan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Itaosy ny tambajotran-jiolahy mpangalatra moto sady mpanao fanafihana Cash point. Dimy lahy ireto tambajotra mpanafika sy mpamaky trano ireto ka efa naiditra am-ponja vonjimaika avokoa rehefa avy natolotra ny fampanoavana, afakomaly. Nitrangana vaky trano teny Ambohidrapeto, ny volana febroary 2023 lasa teo. Tsy tao an-trano ny […]

Mamo ny mpamily…: taksiborosy nivadika, mpandeha 13 naratra

Taksiborosy iray an’ny kaoperativa iray mpanao fitaterana mihazo an’Antsirabe no tratran’ny lozam-piarakodia tao Tombontsoa, fokontany Tsaravavaka, kaominina An­dranomanelatra Antsirabe II, PK 158+400, afakomaly. Olo­na 13 naratra mafy. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary misahana ny fandrindrana ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena, mamo ny mpa­milin’ity taksiborosy ity. Taksiborosy avy aty Anta­nanarivo tsy […]