Velon-taraina saingy tsy afa-mandà ny mpiandry fonja 35 isa eo anivon’ny fonjan’ Antanimora, omaly. Nilatsaka ny baiko fa hafindra toerana any amin’ny faritra hafa avokoa izy ireo noho ny fandaminan-draharaha eo anivon’ny fonja. Nampanantsoin’ny talem-paritry ny fonja ao an-toerana ireo mpiandry fonja 35 isa ireo omaly, hanao sonia ny taratasy famindran-toerana azy ireo. «Tsy mandà izahay saingy nangataka ny hanatanterahina izany amin’ny fotoana mahamety azy», hoy ny solontenan’ireo mpiandry fonja. Efa tafiditra an-tsekoly avokoa ny zanak’izy ireo kanefa voatery hifindra toerana alavitra ka manahy amin’ny hoavin-janany ireto farany. Etsy ankilany, manenjana ny tady ny talem-paritry ny fonja amin’ny tokony haneken’ireto mpiandry fonja ireto ny famindran-toerana azy ireo noho ny baiko. «Manana andraikitra ambony eo anivon’ny fonjan’ Antanimora avokoa ny ankamaroan’ireo nafindra toerana ireo. 24 isa avy amin’ny faritra Atsimo Atsinanana», araka ny loharanom-baovao. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.




