Lehilahy voatifitra : voaroba ny vola 9 tapitrisa Ar

Notafihin’ny dahalo fito lahy ny tokantrano iray tao Alakamisy Itenina, afakomaly alina. Lasa ny vola, naratra ny tompon-trano.

Raikitra ny vely kibay sy ny fandratrana tamin’ny famaky nataon’ny jiolahy fito lahy tao amina tokantrano iray anatin’ny fokontany Marokona III, kaominina An­dranomiditra, distrikan’i Vohi­bato, ny alin’ny 8 hifoha ny 9 oktobra teo. Nitondra basy vita tanàna, nanafika tsenambarotra iray. Tsy nisy nisaron-tava, niditra an-keriny tao amin’ ny renim-pianakaviana iray ireo olon-dratsy ary nitaky ny vola. Nanakorontana avy hatrany izy ireo. Noterena hamoaka ny vola ny tompon-tsena. Lasa tamin’izany ny vola 9 000 000 Ar. Vidim-bary avokoa io la­san’ireo tsy valahara io. Norobainy koa ny entam-barotra samihafa niaraka tamin’ny radio niampy telefaonina.

Roa lahy naratra mafy
Nahare ny tranga, niezaka hanavotra ny lasibatra ny roa lahy anisan’ireo fokonolona tao an-tanàna. Tsy nilefitra anefa ireo jiolahy fa nampiasa ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanany. Vokany, naratra mafy voakapa famaky ny lehilahy iray. Ankoatra io, voan’ny bala teo amin’ny tratrany ny iray hafa nanampy azy. Ni­ri­fa­tra nandositra niaraka tamin’ ny vola sy ny entana halatra ireo fito lahy nanafika taori­an’io. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ireo roa lahy naratra mafy. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny zandarimaria ao an-toerana. Atao hazalambo ireo nahavanon-doza.

Tsiferana R.

Partager sur: