Naiditra am-ponja eny Antanimora, omaly, rehefa avy natolotra ny fitsarana ilay lehilahy voarohirohy ho nampiasa vola sandoka tratra teny Antohomadinika. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, ny 12 desambra 2024 tamin’ny 3 ora sy 50 mn maraina, nisy olona nampandre haingana ny polisy ao Antaniavo fa misy olona mampiasa vola sandoka […]
Tranga
TRATRA teo Antohomadinika: mpanendaka nalefa eny Antanimora
Voasambotry ny polisim-pirenena ny jiolahy raindahiny amin’ny asa fanendahana miharo herisetra teny amin’ny tetezan-dRamala, Antohomadinika Atsimo, ny alin’ny talata 17 desambra teo. Nanao fisafoana amin’ny alina ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny boriborintany fahefatra. Nifanehatra tamin’io lehilahy io izy ireo. Nikasa handositra avy hatrany ity farany ka nosamborina. Nampiahiahy rahateo […]
Nipitika teny ambony moto: lehilahy maty, niparitaka ny lohany
Raim-pianakaviana iray, 30 taona, no maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Ivandry. Voalaza ho nandeha mafy izy, tsy nahafehy ny familiana, araka ny fampitam-baovao. Mpitondra moto iray indray no maty tsy tra-drano afakomaly, teny Ivandry. Teny amin’ny lalana mifanila amin’ny masoivohon’i Rosia no nisehoan’izany. Voalaza fa sodokan’ny lalana malalaka, […]
Nampiditra omby tao amin’ny labatoara: Patiraon’omby notafihin’ny jiolahy nisaron-tava
Tsy laitra iainana intsony ! Miseholany hatrany ny fanafihana mitam-piadiana etsy sy eroa ao andrenivohitr’i Toamasina. Ny alatsinainy 16 desambra 2024 vao maraina, nidirana andian-jiolahy dimy samy misaron-tava niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika ny tao an-tokotanin’olona iray. Misy trano maromaro anefa ao amin’io tanàna io. Anisan’ny mipetraka ao ny mpandraharaha […]
Ambatomirahavavy : Mpivarotra rongony voasambotra
Lehilahy iray nosamborin’ny mpitandro filaminana teny amin’ny fokontany Imerimanjaka, kaominina Ambatomirahavavy, afakomaly. Naharay loharanom-baovao tamina tsara sitrapo ny zandary miasa eny an-toerana momba ny fisiana mpivarotra rongony. Nahazo alalana avy amin’ny fitsarana, nosavain’ny zandary ny trano fonenan’io lehilahy voarohirohy io. Sarona tao aminy ny rongony nilanja 832 grama. Efa notsinjarainy […]




