Nivadibadika, nifatratra tanaty tanimbary ny fiara marika Renault 4 L tao amin’ny RN5A, PK 248 + 200 teo Antanamivony, fokontany Tsarahitra, kaominina Vohémar, ny alin’ny 16 marsa lasa teo, tamin’ny 9 ora sy 18 minitra maraina. Niainga avy any Antsirabe Avaratra, nikasa hihazo an’Ampanefena io fiara io. Olona miisa efatra […]
Tranga
Fanendahana eny Anosizato: Telo lahy nalefa eny Antanimora
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny telo lahy, raha toa ka nalefa eny Anosiala ny roa lahy, tamin’ny andian-jiolahy voasambotry ny zandary teny Anosizato Atsinanana, afakomaly. Mpanao asa ratsy miampy fampiasana fitaovam-piadiana toy ny antsy lavalela izy ireo. Naharay fitarainana noho ny tranga fanendahana matetika niseho teny amin’ny manodidina ny […]
Nanary zaza tetsy Befelatanana : Hatolotra ny fitsarana ny ray aman-dreniny
Mirongatra ny fahitana zaza menavava narian-dreniny eny an-dalana, anaty fako, anaty lavapiringa sy ny maro amin’izao fotoana izao. Hiharan’ny lalàna ary mitarika amin’ny fanagadrana tanteraka ny fanaovana izany. Miatrika fanadihadiana etsy amin’ny PMPM Tsaralalàna ireo ray aman-dreny nanary ny zanany tetsy Befelatanana. Miatrika fanadihadiana etsy anivon’ny Polisim-pirenena misahana ny fiarovana […]
Sambokely rendrika: Mpandeha efatra namoy ny ainy
Olona efatra namoy ny ainy vokatry ny faharendrehan’ny sambokely mandeha motera iray tany Belo sur Tsiribihana, afakomaly alina. Zaza ny roa ary renim-pianakaviana ny roa tamin’izy ireo. Nitranga tao amin’ny kaominina ambanivohitra Marofandilia, ao anatin’ny distrikan’i Morondava ny tranga. Nitondra mpandeha 30 isa hamonjy fahoriana any Morondava izy io. Maty […]
Vono olona: Lehilahy hita faty tsy nisy voamaso
Raim-pianakaviana 67 taona hita faty tsy nisy voamaso roa tao Tanandava, kaominina Mitsinjo Betanimena, distrikan’i Toliara II, ny 15 marsa teo. Nitsirara teny anaty tanimboly io lehilahy io no hitan’ny fokonolona. Tsy nisy aina intsony izy. Niantso ny manam-pahefana avy hatrany ny fokonolona. Nozahana ny vatana mangatsiaka an’io lahiantitra io. […]





