Enin-dahy sempotry ny entona tao anatin’ny lavaka fitrandrahana vato tao amin’ny kaominina Ambohimanjaka, distrikan’Ambositra, ny 24 desambra teo. Namoy ny ainy avokoa ireo enin-dahy, mpitrandraka vato sarobidy sempotry ny entona tao amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatomena, fokontany Fierenantsoa, kaominina Ambohimanjaka, distrikan’Ambositra, afakomaly. Nanao ny asa mahazatra azy, nidina anatin’ny lavaka am-polony metatra […]
Tranga
Hita tao anaty lavaka : Mpivady mpangalatra taolam-paty tratra
Voasambotry ny zandary tao Antsahananamirongo, vakim-paritra Ankaramy anivo, fokontany Antsahampano, kaominina ambanivohitra Nosibe, distrikan’i Vohémar, ny sabotsy teo, ireo mpivady mpanao trafikana taolam-paty. Nahazo fampitam-baovao mialoha ny zandary momba ny fisiana taolam-paty hita ao anaty lavaka. Tsy fantatra izay tompon’antoka tamin’io halatra taolam-paty io. Tonga haingana teny an-toerana ny zandary […]
Soamanandrariny: Mpangalatra moto voasambotra
Fisolokiana hafa koa! Lasan’ny olon-dratsy ny moto marika Kymco G5 teny Mandrosoa Ivato, ny 20 desambra teo. Nitondra moto scooter jog 90, mody nanakan-dalana io olon-dratsy io. Nandalo ny mpitondra ilay kymco ka nosakanany. Nampiresahin’io mpisoloky io, nilaza ho misedra olana izy. Napetrany tamin’ ny sisin-dalana, araka izany, ny moto […]
Niparitaka ny lohany : Vazaha frantsay maty nitifi-tena
Niparitaka hatreny amin’ny valin-drihana ny atidohan’ny teratany frantsay iray maty nitifi-tena tao an-tranony, ao amin’ny fokontany Motombe/Tanambao, kaominina ambanivohitr’i Betsinjaka, Toliara II, ny 20 desambra 2024 teo… Teratany frantsay 84 taona ity maty nitifi-tena tamin’ ny basim-borona misy vavany roa monina ao amin’ny fokontany Motombe/Tanambao, Toliara II, ity. Hita faty […]
Vaky kodiarana: Taksiborosy nivadika, olona iray maty
Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray tao Ambavahaditany, fokontany Antanimbary, kaominina ambanivohitra sy distrikan’i Maevatanàna, ny sabotsy tolakandro tamin’ny 1ora sy 30 mn. Taksiborosy Sprinter miasa ao amina kaoperativa iray eny Ambodivona no nivadika tampoka vokatry ny fandehanana mafy. Niala teto an-dRenivohitra hihazo an’i Mahajanga ity taksiborosy ity. Vaky tampoka teny […]




