Ho fanitsiana ny vaovao nivoaka tamin’ny gazety Taratra, laharana faha-6284, pejy faharoa, ny zoma 20 desambra lasa teo, tsy maty sady tsy niparitaka loha, ilay lehilahy tra-doza nitondra moto teny Ivandry, ny alarobia 18 desambra lasa teo. Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo. Nezahin’ireo nanatri-maso nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana […]
Tranga
Kaominina Andranonahoatra: Zaza 5 taona maty kilan’ny afo
May niaraka tamin’ny trano fonenany, zazavavy 5 taona namoy ny ainy tao Ambaniala, kaominina Andranonahoatra, ny marain’ny zoma 20 desambra teo. Hotohoton’ny afo, zazavavy vao 5 taona maty tao Ampefiloha, fokontany Ambaniala, kaominina Andranonahoatra, ny marain’ny zoma lasa teo tamin’ny 4 ora. Niala tamin’ny 3 ora maraina tao an-trano ny […]
Hivarotra jirofo : Lehilahy nahatrarana basy sy bala tsy ara-dalàna
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra mpikaroka fandikan-dalàna ao amin’ny seranan-tsambo Toamasina, ny 19 desambra 2024 tamin’ny 8 ora sy sasany alina, ny lehilahy iray nitondra basy. Nandritra ny fisavana teo amin’ny vavahady iray ao amin’ny seranan-tsambo no nahatrarana ity lehilahy iray 34 taona niaraka tamin’ny basy PA marika […]
Nifatratra tamin’ny taxi : Naratra mafy ilay mpitondra moto
Naratra mafy, nentina namonjy toeram-pitsaboana ilay mpitondra moto tra-doza tao Antsohihy, omaly tolakandro. Nikasa hanatitra olona, nandeha mafy ilay moto. Nalalaka rahateo ny lalana ka nanararaotra ny mpitondra azy. Tampoka, tsy nanampo ny fisetrasetran’io mpitondra moto io ny mpamilin’ny fiarakaretsaka. Nifanohi-dalana ny roa tonta. Tsy tafala intsony, nifatratra avy hatrany […]
Bevohoka telo volana :Tratra ilay ray nanolana an-janany vavy
Ankizivavy tsy ampy taona naolan’ny ray niteraka azy ka bevohoka telo volana, tetsy Sabotsy Namehana. Voasambotra ny nahavanon-doza, omaly. Nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly, ny raim-pianakaviana iray voatondro ho nanolana an-janany vavy teny Atsimontsena, kaominina Sabotsy Namehana. Tsy ampy taona io zanany vavy io. Miara-mitaiza ireo zanany anefa ity lehilahy ity […]




