Notafihin’ny jiolahy misaron-tava ny tokantrano iray etsy amin’ny fokontany Lalamby, Antohomadinika, ny alin’ ny alatsinainy, tokony ho tamin’ny 9 ora. Maty voatsindron’antsy teo amin’ny tendany ny raim-pianakaviana iray 41 taona, tompon-trano. Nitondra antsy iray sy basy kilalao nahitana vovoka sakay ilay olon-dratsy tamin’ny fotoana nanaovany ny asa ratsiny. Efa niomana […]
Tranga
Nanendaka tetsy 67 Ha: Enina mianadahy naiditra am-ponja
Notanana vonjimaika any am-ponja avokoa ireo enina mianadahy mpanendaka eny amin’ny faritra Ankasina sy 67 Ha, taorian’ny fampanoavana, ny zoma 21 aogositra teo. Nitrangana fanendahana teo amin’ny fiantsonan’ny taxi-be, Vatobe 67 Ha, ny marain’ny alakamisy 20 aogositra lasa teo, tamin’ny 4 ora. Olona miisa roa voaroba ka nampandre avy hatrany […]
Betroka : Telo mianaka voatifitra
Naratra mafy voan’ny bala tao amin’ny faritry ny lamosiny ny zaza iray 5 taona, raha toa ka voa teo amin’ny tongony ilay zokiny 6 taona, tao amin’ny kaominina Isoanala, distrika Betroka, ny alin’ny alahady 23aogositra teo, tamin’ny 8 ora. Sendra alina ny raim-pianakaviana iray sy ny zanany roa vao tonga […]
Kaominina Bongatsara : Tovolahy voatsatoka antsy hita faty
Mitohy ny fahitana olona maty. Tovolahy iray niara-nisotrosotro tamin’ny namany tao amin’ny fanaovana Karaoké iray eny Bongatsara indray no hita faty tao amin’ny toeram-pivoahana, afakomaly maraina. Mandeha ny fanadihadiana. Novonoina tamin’ny alalan’ny zava-maranitra, tovolahy 21 taona hita faty teo am-baravaran’ny toeram-pivoahana anatin’ny Karaoké iray ao Antetezana, fokontany Ambohibao, kaominina Bongatsara, […]
Tsiroanomandidy : Mpihady volamena maty nihotsahan’ny tany
Namoy ny ainy ny roa tamin’ireo mpihady volamena efa-dahy nihotsahan’ny tany tao Tsimbilovolo, fokontany Mandrosoarivo, kaominina Fierenana, distrikan’i Tsiroanomandidy, afakomaly. Mpitrandraka am-polony no mivelona amin’ny asa fitrandrahana volamena ao amin’ny kariera iray anatin’io fokontany io. Nitranga tampoka ny loza, ny sabotsy 22 aogositra teo. Nianjera ny tamboho lehibe iray nanamorona […]




