Tranga

Halatra omby : lavon’ny bala i Varira

Voatifitry ny zandary nandritra ny sakoroka ny dahalo raindahiny mpangalatra omby tao amin’ny fokontany Emalio, kaominina Ambatoabo, distrikan’i Taolagnaro, afakomaly. Naharay loharanom-baovao momba ny trangana halatra omby ny zandarimaria miasa ao Tanambao. Nidina an-kianja, tratra teo am-pandroasana omby i Herinay na i Varira. Dahalo raindahiny efa ikoizana amin’ny halatra omby […]

Hasarotam-piaro : lehilahy notondraham-badiny rano mangotraka

Notondraham-badiny rano mangotraka ny tarehy sy ny vatan’ny lehilahy iray tao amin’ny kaominina Kalandy, distrikan’i Mandritsara, omaly. Nandritra ny fifampiresahan’izy roa, nangataka ny findain-dramatoa io rangahy vadiny io. Nanomboka nanda anefa ilay vehivavy. Nanohitra ny tsy fahatokisam-badiny azy izy. Tsy nanaiky, nikiry ary nanery an-dravehivavy hanome ny finday teny aminy […]

Nifandona tamin’ny dahalo : Omby sivy tafaverin’ ny fokonolona

Nandositra avokoa ny dahalo nangalatr’omby tao amin’ny tanànan’Agnala, kaominina Ambahita, distrikan’i Bekily, ny alarobia 11 desambra teo. Navoakan’ireo olon-dratsy ny omby miisa sivy tao am-bala. Hitan’ny tompon’omby anefa ireo mpandroba. Nanao hazolava, nivoaka avokoa ny olona mipetraka amin’ny manodidina ny tranon’ny lasibatra. Nandositra nitondra ireo omby halatra ny dahalo. Nanara-dia […]

Manakan-dalana amin’ny alina : Notanana am-ponja ireo efa-dahy

Tsy ampy taona avokoa, natao famotorana ka notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ireo efa-dahy tra-tehaky ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Maevatanàna. Manararaotra ny haratsian-dalana, miandry ireo fiara taksiborosy mifamevezivezy amin’ny lalam-pirenena fahefatra sy fahenina izy ireo. Torahan’izy ireo amin’ny alalan’ny vato ny fiara mandalo ka taksiborosy no tena kendreny. Za-dratsy, […]