Tranga

Fanodinkodinana Cocaïne : Zandary enina niakatra fitsarana

Niakatra fitsarana miady amin’ny kolikoly ny zandary enina sy sivily efatra, omaly. Voampanga ho nanodinkodina Cocaïne tratra tany Nosy Be Hell ville izy ireo. Niakatra teo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly Pac, omaly, ireo zandary enina sy olon-tsotra efatra izay samy voasaringotra tamin’ny raharaha rongony mahery vaika Co­caïne. Sarona tao […]

Jiolahy mpampanofa basy: Maty voatifitra i Dadabekibo

Toarian’ny fidinan’ny mpitandro filaminana hampandry fahalemana an’i Toamasina. Maty voatifitry ny mpitandro filaminana avy amin’ny UIR tao amin’ny depot fahatelo Toamasina i Dadabota na Dadabekibo, omaly tolakandro. Jiolahy malaza amin’ny fampiasam-bola toy ny mpandraharaha rehetra ary mampanofa basy ihany koa izy. Ankoatra izay, mampiasa tovolahy kely maro hanendaka sy hamono […]

Takaitran’ilay andro ratsy tany avaratra: Iray no maty, 4115 ny traboina, manambana ilay rivodoza Jude

Namela takaitra ilay andro ratsy nandalo tao avaratra, faritra dimy no voakasika, distrika valo sy kaominina 16 no nitondra takaitra. Hiverina hanambana ny faritra Menabe na Atsimo Andrefana kosa ilay rivodoza Jude aorian’ny fiverenany ao amin’ny lakandranon’i Mozambika, amin’ity herinandro ity. Taorian’ny fandalovan’ilay andro ratsy tany amin’ny tapaxny avaratry ny […]

Famarinana olona: Sinoa valo sy Malagasy telo voarohirohy

Natolotra ny fitsarana afakomaly ny sinoa valo sy malagasy telo, voasambotra tamin’ny tambajotra iray mpamarina vehivavy malagasy tany amin’ny faritra Atsinanana, ny herinandron’ny 23 febroary teo. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ny efatra amin’izy ireo, eny Antanimora ny fito ambiny. Vehivavy malagasy asaina manambady am-pitaka na an-tery amin’ny teratany sinoa […]