Nilalao teo amoron-dranomasina, mbola tsy hita popoka tao anatin’ny telo andro, taorian’ny nanjavonany ilay zazalahy tao Sambava. Nanamorona ny rano io zazalahy vao valo taona monja io. Tsy nanampo na inona na inona rahateo ny ray aman-dreniny noho ireo zaza efa zatra milalao amoron-dranomasina. Tampoka, nosintomin’ny onja io zaza io. […]
Tranga
Nisoloky ny mpampiasa azy : Olona roa nandroba 230 tapitrisa Ar
Namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana ny olona roa voampanga tamina raharaha fivadiham-pitokisana nandritra ny fitsarana ny raharaha ady heloka bevava tao Toamasina, omaly. Ny antontan-taratasin’ady notsaraina voalohany tao amin’ny fitsarana ity niampangana an-dRavaoarihanta Antoinette ity, araka ny dosie laharana faha 96-Toa/24. Mpiasa tao amina tranombarotra iray mpivarotra ambongadiny momba ny lamba […]
Namono ny zanany vao teraka : Voasambotra ilay ramatoa nahavanon-doza
Tra-tehaky ny zandary ilay renim-pianakaviana namono zaza menavava tao amin’ny kaominina Mahabo, afakomaly. Vehivavy 20 taona, nosamborin’ny zandarimaria tao amin’ny fokontany Ankadisarotra, kaominina Mahabo, distrikan’Ambohidratrimo, ny 11 desambra teo. Hitan’ny fokonolona tao amin’io fokontany io ny zaza menavava iray, tamin’io andro io. Nihoson-dra tanteraka ny vavany ary notsatohana hazo ny […]
Antohomadinika : miparitaka ny vola sandoka, lehilahy iray tratra
Nahatrarana vola sandoka ana hetsiny, lehilahy iray voasambotry ny fokonolona ka natolotra ny mpitandro filaminana, tetsy Antsalovana-Antohomadinika, boriborintany voalohany, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nisarontsarona anatin’ny satroka nandritra ny haizina, mody nitondra koveta io lehilahy io ary mividy atody eo amin’ireo mpamongady etsy Antohomadinika. «Tsy nisy nanampo izahay fa ataonay […]
Maevatanàna : Jiolahy mpanakan-dalana voasambotra
Voasambotry ny zandary tao Tsarahonenana, distrikan’i Maevatanana, ny alarobia alina teo, ireo jiolahy efatra tompon’antoka amin’ny fanafihana eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4). Ny 11 desambra 2024 alina, taksiborosy nitandahatra niainga avy aty Antananarivo hihazo ny tapany avaratra iny no tratran’ny sakan-dalana sy toraka nataon’ireo jiolahy. Tao Ambavahadiala anelanelan’ny fokontany Antsapanana, […]




