Tranga

Mosavy tamin’ny vola : «Notapahako tamin’ny antsibe ny tanako», hoy i Albertho

Nitantara ny nanjo sy ny antony nahatonga azy sahy nanapaka ny tanany havia tamin’ny antsibe tao Antsarakofafa Toamasina, i Albertho. Nilaza izy fa mosavin’olona no nahatonga ny fery tsy nety sitrana teo amin’ny tanany… Nandritra ny fitsaboana azy tao amin’ny hopitaly manara-penitra ao Morafeno Toamasina no nilazany ny zava-nisy marina, […]

Ambolokandrina : Jiolahy tratra teo am-pamelomana moto anaty garazy

Nosamborin’ny polisy mi­asa ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohija­tovo, afakomaly misasakalina, teny Ambolokandrina, ny jiolahy raindahiny amina halatra. Voarohirohy ho nangalatra tao amina garazy iray eny an-toerana izy. Roa lahy izy ireo no niditra tao amin’ity garazy fitoerana moto an’olona iray mipetraka eny Ambolo­kan­drina ity. Henon’ny tompon-trano anefa izy roa […]

Fanararaotana : tratra ilay nanolana zazavavy 13 taona

Nihidy aman-trano, voatery namoha an-keriny ny trano fonenan’ny lehilahy iray ny renim-pianakaviana tao Amboasary, fokontany Andratsiolona, kaominina Andilana avaratra, distrikan’ Amparafaravola, ny sabotsy teo, tamin’ny 3 ora folakandro. Niasa ivelan’ny tanàna ny ray aman-drenin’ny zazavavy, 13 taona, tsy salama saina sady moana. Noho io fahasembanany io, tsy manaraka ireo lehibe niasa […]

Olona tapa-doha : hatao sorona, hakana fahefana

Trangam-piarahamonina nampihoro-koditra tato ho ato ny fanapahan-doha. “Sorona ho fikatsaham-pahefana sy vola no voalaza fa anton’izany”, hoy ny zandarimariam-pirenena. Nidoboka am-ponja vonjimaika ny iray raha toa ka mbola hanaovana fanadihadiana lalina ny roa hafa, voasaringotra amin’ny fanapahan-doha ao Ihosy, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny polisim-pirenena ao an-toerana, omaly. Ny […]

Ankaraobato : lehilahy maty notsatohan’ny sakaizany antsy

Nifampikasi-tanana, noleram-badiny antsy ka maty ny lehilahy iray, tetsy Ankara­obato, afakomaly alina. Efa nifamalivaly tamin’ny telefaonina, niafara tamin’ny tsin­dron’antsy namoizan’aina ny tsy fifankahazoan’ny vehivavy iray sy ny sakaizany, tao amin’ ny fokontany Ankadilalam­potsy, kaominina Ankarao­bato, ny alin’ny talata 25 jolay teo tamin’ny 7 ora hariva. Rehefa tonga tao an-trano ilay […]