Nitrangana vaky fasana tao amin’ny fasam-pianakavian’ ny Ampanjaka Kamamy, ao amin’ny fokontany Mahavelonarivo, kaominina ambanivohitr’i Bemarivo Ankorondro, distrikan’i Belo sur Tsiribihina, ny sabotsy teo. Nandritra ny fandevenana raim-pianakaviana iray tao amin’io fasam-bahiny io no nisy olona nahatsikaritra fa vaky ny fasan’ny Ampanjaka. Nidina teny an-toerana ny solontenan’ny fianakaviana, niaraka tamin’ny […]
Tranga
Nanolana ny zanak’anabaviny : notanana am-ponja ilay nahavanon-doza
Voasaringotra tamin’ny raharaha fanolanana misesy, niakatra fampanoavana ny raharaha ka notanana vonjimaika any am-ponja ilay lehilahy. Niakatra fampanoavana omaly, nohazonina am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy voatondro ho nanolana ny zanak’ anabaviny, tao amin’ny kaominina Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana. Zazavavy 11 taona naolan’ny anadahin-dreniny imbalo nisesy. Nanamparan’io lehilahy io ny […]
Fifanosehana ; renim-pianakaviana iray namoy ny ainy
Namoizana aina ny fifanosehana nataon’ny fokonolona tao Analamahitsy, omaly. Aman’aliny, ny vahoaka tonga hijery lanonana tao an-toerana. Nifanintsa-kitro, samy nanao izay haha tafiditra azy ny mponina avy amin’ny boriborintany rehetra eto an-dRenivohitra. Tsy voafehin’ny tomponandraikitra intsony ny fifanosehana nisy teo amin’ ireo olona ireo ka nisy nianjera tamin’ny tany. Voahitsaka, […]
Voafandriky ny fokonolona : dahalo matin’ny fitsaram-bahoaka
Nahitam-bokany ny ezaka momba ny fanentanana ny tagnamaron’ny fandriampahalemana tao amin’ny kaominina Andrea sy ny manodidina, distrikan’i Maintirano, ny sabotsy teo. Nampahafantarina ny fokonolona fa karohina fatratra ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Limbisoa na i Limby, malaza ratsy amina fanafihana mitam-piadiana, halatra omby, vono olona ao amin’io […]
Namono tena : lehilahy nitsoraka tao ambany taksiborosy
Lehilahy iray maty tsy tra-drano nitsoraka tao ambany fiara taksiborosy tao Mangarivotra, fokontany Marofody, kaominina ambanivohitr’ Ambinaninony, distrikan’i Brickaville, Pk 286 + 800, ny sabotsy tolakandro teo. Tao anaty fiolahana ankavanan-dalana no nitranga ny loza. Nisy lehilahy iray nanatona ny fiara Sprinter mpitatitra olona amina kaoperativa iray mampitohy an’i Brickaville […]




