Trangam-piarahamonina mahazo laka,isaky ny vanim-potoanan’ny fifidianana ny halatra taolam-paty. Taolan-dava miisa 474, nisy nanary tao anaty kirihitra, omaly. Taolam-paty dimy gony, hita tao anaty kirihitra, tao amin’ny fokontany Ambatofaritana, kaominina Antsenavolo, distrikan’i Mananjary, omaly. Ramatoa iray handeha haka kitay no nahatsikaritra gony marobe. Nentin’ny fitiavana tia jerijery, nosavainy kinanjo taolam-paty […]
Tranga
Enina naratra: nifandona ny mpitokona sy ny mpitandro filaminana
Olona enina nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly be Taolagnaro, omaly. Naratra vokatry ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ny mpitokona ao an-toerana izy ireo. Nanao fanakanan-dalana teo amin’ny toerana atao hoe Amaroamalina sy “4 chémins” ireo mpitokona. “Efa niezaka nitady ny marimaritra iraisana tamin’ireo fokonolona izahay saingy misy ny […]
Fifampitifirana : jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy
Jiolahy iray rotiky ny balan’ny polisy, roa azo sambo-belona. Io no vokatry ny fifandonana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy mpangalatr’omby sady mpamono olona ao amin’ny faritr’Ihorombe, afakomaly. Ny faran’ny volana jona teo, nanafika tao amin’ny fokontany Ambaniandrefana, Ihosy, ireto jiolahy ireto. Olona iray maty nandritra ny fanafihana. Omby telo […]
Mpivady resin-tory: kilan’ny afo teo am-pandriana
Main’ny afo teo am-pandriana izy mivady ka mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Afom-patampera namanana akoho fiompy noho ny delestazy no nandoro trano. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ireo mpivady, may kila tao an-trano fonenany, ny sabotsy alina teo. Tao amin’ny fokontany Andranomadio Toamasina Parisela 11/41, carreau “C” […]
Tranga hafahafa : ankizilahy hiatrika BEPC maty nihantona tao an-trano
Hatairana ny an’ny ray aman-dreniny raha nahita an-janany lahy 13 taona hita faty nihantona teo amin’ny fandriana, afakomaly, tao amin’ny fokontany Mangarano, Plle 11/46. Mpianatry ny CEG Mangarano ity niharam-boina ity ka tokony hiatrika ny fanadinana BEPC, anio, izy kanjo izao namoy ny ainy tampoka izao. Hita faty nihantona tamin’ny […]