Tranga

Feno habibiana : vehivavy hita faty nihosin-dra novonoim-badiny

Nampihoron-koditra! Maty novonoim-badiny tamin’ny fomba feno habibiana ny renim-pianakaviana iray tao Ambato­haranana, fokontany Tsarata­nana, kaominina ambanivo­hitr’Andrakata, distrikan’An­dapa, ny 15 novambra 2024. Nahazo antso avy amin’ny lefitry ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Andrakatra, ny zandary momba ny fisiana fatim-behivavy hita ao an-tranony ao amin’io tanàna io. Nidina haingana teny an-toerana nahitana ny […]

Nidoboka am-ponja eny Antanimora : tratra ireo mpanondrana olona mankany Chine

Ravan’ny zandary ny tambajotra mpandefa olona antsokosoko mankany Chine. Notanana vonjimaika any am-ponja ireo voasaringotra. Efatra mianadahy voasaringotra amin’ny raha­raha fanondranan’olona mihazo an’i Sina niara-voa­tana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny zoma 15 novambra teo. Naharay ha­fatra miafina avy tamina olona any Sina nilaza ny fi­siana tambajotra matanjaka mivarotr’ olona an-kolaka […]

Andranobolahy Toamasina : mpamaky trano voasambotra

Voasambotry ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambo­dibonara-Andranobolahy, kaominina Toamasina, ny lehilahy ikoizana amin’ny vaky trano, ny alin’ny alarobia 13 novambra teo. Nanararaotra ny andro alina, nanao ny asa ratsy toy ny fanaony io tovolahy io. Tsikaritry ny manodidina anefa ny fihe­tsika hafahafa nataon’ilay olon-dratsy. Nanamafy ny ahiahin’ny fokonolona rahateo ny […]

Vavatenina : taolam-paty hita tao anaty gony

Milanja 4 kg ny fitambaran’ ireo taolam-paty nisy nahita tao amin’ny fokontany Ambo­di­vato II, kaominina ambanivohitr’i Tanamarina, distrikan’i Vavatenina, omaly tolakandro. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany Ambodivato ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Vavatenina momba ny fisian’ireto taolam-paty hita tao amin’ny toerana antsoina hoe Papaimena, 400 metatra atsimo atsinanan’ny tanànan’i […]