Tranga

Mpianaka niara-maty : voafaokan’ny fiara tamin’ny andro nahaterahany

Indray mipi-maso! maty izy mianaka rehefa avy nankalaza ny fahafito taonany ilay zazalahikely. Nanatitra fiara, niampita arabe izy sy ny reniny no voafaokan’ny fiara 4X4. Sesilany ny lozam-pifamoivoizana nandratrana sy namoizana ain’olona ao Toamasina. Teo anoloan’ny hopitaly manara-penitra, afakomaly hariva. Renim-pianakaviana iray nitantana ny zanany lahy fito taona no indray […]

Disadisa : Polisy maty noleram-badiny antsy

Namoy ny ainy vokatry ny tsindron’antsy tao Sambava, omaly maraina. Tsy nifankahazo tamin’io vadiny io, naharay zava-maranitra ilay ramatoa. Natsindrony teny amin’ny vadiny avy hatrany anefa izany. Poa toy izay, nifamonjen’ny mponina manodidina nentina tao amin’ny hopitaly CHRR Besopaka ilay Sous-Brigadier. Tsy tana anefa ny aina noho ny hamaroan’ny ra […]

Efatra andro nifampitadiavana : Ramatoa hita faty nananton-tena

Hita faty nananton-tena tao an-tranony Ambohijana­hary, kaominina ambanivohitra Didy, distrikan’Ambaton­dazaka, ny sabotsy 22 jolay teo, ny vehivavy iray. Nifam­pitadiavana nandritra ny efatra andro izy. Lany haika ny fianakaviany. Noho ny faharenesana fofona hafahafa manodidina ny trano fonenany, taitra ireo havany. Tapaka ny hevitra fa hosokafana ny trano. Voamarina fa nihidy […]

Hetsika “Tselatra” : mpaka an-keriny telo lahy lavon’ny bala

Nifanehatra tamin’ny miaramila nanao fisafoana, voatifitra ny jiolahy telo lahy, mpaka takalonaina nikoizana. Maty tao Morarano, kaominina ambanivohitra Ambohibary, anatin’ny fari-piarovana Ikopa, izy ireo, omaly. Mpiray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy hafa. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fakana an-keriny tao amin’io kaominina io izy telo, ny 26 jona lasa teo. Nitsoaka nandositra avokoa […]