Tranga

Hanaovana taratasy firotsahan-kofidiana: Ben’ny Tanàna tratra nangala-tsoniana

Tonga nametraka taratasy fitoriana tao amin’ny tobim-pa­ritra Marerano ny sefo fokontany ao Marerano, ny faran’ny vo­lana oktobra 2024 teo ma­nenjika ben’ny Tanàna Marerano. Voalaza ao anatin’ny fitoriana fa nisandoka ny asan’ ny sefo fokontany ilay olom-boafidy ka nangalatra ny soniany sy ny fitombokasen’ny fo­kon­tany izay nanamboarana taratasy fanamarinam-ponenana hosoka. Taratasy […]

Mahabo: Basy Kalach iray azon’ny zandary

Tratran’ny zandary tao amina raim-pianakaviana iray tao Andapanomby kaominina ambanivohitr’Ampanihy distrikan’i Mahabo, ny 6 novambra 2024 teo ny basy Kalachnikov iray. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, basy nampiasain’ireo dahalo nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary tao amin’ny Faritra Menabe ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Nahazo fampitam-baovao mialoha ny zandary momba ny […]

Maty tao an-tranon’ny sakaizany: lehilahy nihantona tamin’ny tadim-patalohany

Lehilahy iray no ahina ho nananton-tena, tao an-tranon’ny sakaizany teny Imerintsiatosika. Niezaka nanavotra azy ilay vehivavy sy ny mpiara-monina saingy tsy tana ny ainy. Tadim-patalohany ihany no nahafaty ny lehilahy iray. Nahina ho namono tena izy. Tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Imeritsiatosika, distrikan’ Ari­vonimamo no nitrangan’ izany afakomaly, tokony ho […]

Poa-basy tao Ampitatafika : mpambongady voaroba, lasa ny volabe

Norobain’ny jiolahy mitam-piadiana ny volabe tao amina “grossiste” iray, ao Ambodi­fiakarana Ampitatafika, omaly tamin’ny 7 ora hariva. Nilanja fitaovam-piadiana, namoaka ary nanambana izany ny mpivarotra tao amin’io tsena io ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy, tsy nisy nahahetsika intsony ireo olona teo amin’ny manodidina. Mihoatra ny telo ireo nanao ny fanafihana, araka […]