Saron’ny polisy i Degany sy ny namany izay tsy iza fa ireo jiolahy nanafika ny vadin’i Benjakely, mpanao Cash point, teny Manjaka Ilafy. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany, ny vola 20 tapitrisa Ar mahery… Naiditra am-ponja vonjimaika ny sabotsy teo rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy telo voarohirohy ho tompon’antoka tamina […]
Tranga
Teo am-panaovana fety: teratany vahiny voatsatoka antsy ny lamosiny
Nitrangana fanafihan-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana tao amina tokantranona teratany vahiny iray manambady vehivavy teratany malagasy, tao amin’ny fokontany Sengaloka, kaominina sy distrikan’ Ambilobe, ny 2 novambra 2024 alina. Nahazo antso avy amin’ny sefo fokontany ao Sengaloka ny zandary momba ny fisian’ity trangana fanafi-hana mitam-piadiana ity. Voamarina tokoa ny fisian’izany nandritra ny […]
Tsiazotafo; fiara iray kila niaraka tamin’ny trano
Nitrangana haintrano goavana indray tao Behoririka Tsiazotafo, ny sabotsy misasakalina teo. Tranohazo roa niaraka tamina fiara nipetraka tao anaty garazy indray nirehitra. Nijoalajoala tanteraka ny afo nandritra ny firehetana. Fiara roa no indray kilan’ny afo saingy may tamin’ny ampahany ny fiara iray faharoa. Ravan’ny afo ny tranohazo iray raha rava […]
Fanafihana tao Anosiala : nofatorana ny tompon-trano, voaroba ny volabe
Fahasahiana mihitsy ny an’ireo jiolahy nanafika tokantrano iray teny Anosiala Ambohidratrimo, ny 1 novambra 2024 maraina. Nofatoran’ireo jiolahy ny tompon-trano ka nanjaka tanteraka izy ireo… Jiolahy telo lahy nandroba tao amina tokantrano iray, tao amin’ny fokontany Ambatomena, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, ny 1 novambra teo tamin’ ny 3 ora maraina. Nolavahan’ […]
Tsy afa-nanohitra : nofohazin’ireo jiolahy ny tompon-trano
Tratran’ny zandary teny amin’ny fokontany Mandrosoa Ivato, ny 27 oktobra 2024 teo, ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana sy famakiana tokantrano iray teny an-toerana. Lasan’ireo mpanafika ny entana sarobidy rehetra tao an-trano. Mbola renoky ny torimaso ireo tompon-trano, araka ny filazan’izy ireo tamin’ny tatitra voaray avy amin’ny zandary. Nanam-potoana mihitsy ireo […]




