May tsy nisy noraisina ny orinasa iray tetsy Ambodivonkely, Ambohimanarina, omaly maraina. Tao anatin’ny minitra vitsy, nivadika ho lavenona ny fitaovam-pandokoana mitentina an-tapitrisany. “Ahiana ho fifampikasohana tariby mitondra herinaratra no nitarika ny firehetana”, hoy i Njara, tomponandraikitra lefitra eo anivon’ity orinasa mpandoko moto ity. Vao maraina, nidona-tsetroka ny trano. Nifamonjen’ […]
Tranga
Bakalorea Antsiranana : tovolahy nisoloky nivarotra laza adina
Voasambotry ny polisy ao amin’ny kaomisarian’Antsiranana, afakomaly, ny tovolahy iray mpisoloky voarohirohy ho nivarotra laza adina Bakalorea. Maro ny fitarainana nataon’olona maromaro voasoloky tamina resaka laza adina Bakalorea amidy amin’ny tambajotran-tserasera. Niainga avy amin’io fitarainana io no nahafahan’ny polisy nanao ny fanadihadiana rehetra ka niafara tamin’ny fahatrarana ity jiolahy ity. […]
Moto tra-doza : Lietnà tapa-tongotra, maty rehefa voadidy
Lehilahy iray maty tsy tra-drano. Lietnà an’ny Tafika, vao 22 taona, namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly . Nidona tamin’ny fiara ny moto notaingenan’izy ireo. Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Mandrosoa Ivato, ny sabotsy teo. Roa lahy nandeha moto (miaramila manamboninahitra ny iray raha sivily kosa ilay niaraka taminy) no nifandona tamina […]
Ankadindambo: hita tany amin’ireo jiolahy ny Baibolin’ny Pasitera
Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimangakely teny Ambohimanambola, ny sabotsy teo, ireo jiolahy tarihin’i Sakay, raindahiny amin’ny fanafihana. Ao anatina tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana, mpanendaka,mpandroba ao amin’ny faritry ny kaominina Ambohimangakely ry zalahy ireto. Ahitana an’i Sakay, Salala, Fotsikely, Tranky, Mika, Ndera. Ny alarobia 12 jolay 2023 alina, Pasitera iray […]
Namaky dobo : tratra ireo jiolahy nangalatra trondro
Mahita hirika foana! Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohimalaza, teny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2), afakomaly, ireo jiolahy telo voarohirohy tamina raharaha halatra trondro milanja 40 kg. Nahazo antso fampilazana ny zandary fa misy roa lahy mitondra entana mampiahiahy mandalo eny amin’iny RN2 iny. Niainga avy any Andranosoa, kaominina Ambohimalaza, […]