Lavon’ny polisy ny efatra tamin’ireo jiolahy nanafika mpandraharaha nitondra vola tao Tanambao Verrerie Toamasina, omaly. Teo am-panafihana mpandraharaha nandeha Bajaj, niaraka tamin’ny volabe, ny jiolahy enina nitondra basy tao Tanambao Toamasina, omaly. Efa narahin’izy ireo ny lalana nalehan’ity mpandraharaha ity. Novelesin’ny iray tamin’ireo olon-dratsy ny maritoa izy mba hahafahan-dry zalahy […]
Tranga
Fakana an-keriny : Ankizy varira 12 taona avotra, dahalo efatra maty
Roa volana nifampitadiavana, ankizivavy varira 12 taona avotry ny zandarimaria tao amin’ny kaominina Behara, distrikan’Amboasary Atsimo, afakomaly. Nalain’ny mpaka an-keriny tao amin’ny fokontany Mokabe, distrikan’i Toalagnaro, io ankizy io tamin’ny 13 oktobra 2024. Nanao fikarohana ny fianakaviany sy ny mpitandro filaminana ka nisy tamin’ireo olon-dratsy tra-tehaka tamin’io andro io. Nentina […]
RN2: Namoy ny ainy ny mpamilin’ilay 4×4
Namoizan’aina olona indray teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, teo ao amin’ny PK 79 +200, tao Ampoarana, fokontany Ambodimanga, kaominina Sabotsy Anjiro, distrikan’i Moramanga, ny alahady 19 janoary tolakandro teo. Niainga avy any Moramanga, nikasa hihazo an’Antananarivo Renivohitra, ny fiara tsy mataho-dalana iray marika Galloper. Nandalo fiolanana, nandeha mafy ny fiara ka […]
Ambohipo : maty tsy tra-drano ilay mpitondra moto
Nidona tamin’ny andrin-jiro, maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitondra moto teny Ambohipo, afakomaly. Nivoa-dra ny sofin’ilay lehilahy nitondra moto ka nitarika tamin’ny famoizany aina, teo Ambohipo, ny alin’ny alahady teo, tamin’ny 11 ora sy sasany. Nitaingina kodiarandroa, nandeha mafy ity lehilahy ity ka nifatratra tampoka tamin’ny andrin-jiro teo amin’ny […]
Vonoan’olona mampiahiahy : Razana roa hita teny amoron-dalana
Tao anatin’ny 24 ora, ny sabotsy hifoha ny alahady, trangana vonoan’olona roa samy hafa no nitranga tao Toamasina renivohitra. Ny iray, tao Andranomadio 11/44, tsy lavitry ny tafo lanitra. Ny faharoa, tao Mangarivotra 11/47, tsy lavitry lalam-baovao mihazo ny Lapan’ny prefektiora Mangarano. Ny alahady maraina teo no nahitana ity razana […]





