Tranga

Nangalatra finday : mpangarom-paosy tratra tao anaty taxi-be

Lehilahy iray mpangarom-paosy, teo am-pikasana hangalatra finday no voasambotry ny polisy tao anaty taxi-be 137, tetsy Tanjombato, omaly. Niakatra anaty fiara fitateram-bahoaka, mody nipetraka teo akaikin’ny mpandeha iray io lehilahy io. Nosokiriny moramora tao anatina poketra ny finday an’ilay ramatoa. Natsofiny am-paosy izany. Tsy lavitra teo, tsikaritry ny polisy iray […]

Adin’ny mpivady: lehilahy hita faty nifatotra

Tsy hita popoka ny vadiny taorian’ny nahitana ny fatin-drangahy nifatotra teo ivelan’ny trano. Matetika misy disadisan-tokantrano izy mivady. Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fon­jaben’Ambalatavoahangy, afakomaly, ilay renim-pianakaviana ahina ho tompon’antoka ho namono nahafaty ny vadiny. Hita faty nifatotra teo an-tokotany misy ny tranony ao Tanambao II, Toama­sina, ilay rangahy. “Somary […]

Roa lahy voasambotra : vehivavy 12 saika haondrana any Allemagne sy Koweït

Voasambotry ny polisin’ny Service Central des enquêtes specialisées, ny talata 11 jolay teo, ireo roa lahy sy vehivavy 12 noho ny resaka fanondranana olona hiasa any amin’ny tany Arabo. Tratra teo am-panaovana pasipaoro an’ireo vehivavy 12 halefa hiasa any Allemagne, Egypte ary Koweït izy roa lahy voarohirohy. Nohadiadian’ny polisy avy […]