Fitondrana olona an-keriny ao amin’ny tanànan’Amparafaravola, lavon’ny balan’ny Fip ny jiolahy raindahiny iray, afakomaly alina. Nirefodrefotra ny basy. Rotiky ny balan’ny polisy ny tompon’antoka tamin’ny tranga fakana an-keriny tao Amparafaravola, ny alin’ny talata 11 jolay hifoha 12 jolay teo. Malaza ratsy, fikambanan-jiolahy mihitsy ireto nifampitana tamin’ny mpitandro filaminana ireto. Nilafika […]
Tranga
Ambohitsaratelo – Fiaferana : nizerianina tratra teo am-pihanihana tambohon’olona
Noraisim-potsiny! Teratany nizerianina, 21 taona, no tratran’ny fokonolona nihanika tambohon’olona iray, teny amin’ny vohitra Ambohitsaratelo, fokontany Ambonimanandriana , kaominina ambanivohitr’i Fiaferana, afakomaly alina tamin’ny 10 ora. Nisy olona nampandre ny zandary mikasika ny tranga. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ka tsy lasa lavitra ny tanàna. Nofatoran’ny olona avy hatrany izy mandra-pahatongan’ny zandary. […]
Fanafihana teny Itaosy: mpamongady very 10 tapitrisa Ariary
Voatafika tamin’ny atoandrobenanahary, omaly, ny mpamongady iray. Nirefotra ny basy teny Itaosy Cité. Noraofin’ny jiolahy tanaty harona plastika ny volabe 10 tapitrisa Ariary. Nirefotra ny basy! Norobain’ny jiolahy telo lahy mitam-piadiana ny vola 10 tapitrisa Ar tetsy Antanetibe, Itaosy Cité, kaominina Ambohidrapeto, omaly. Tamin’ny 12 ora sy 45 minitra, tonga […]
Noho ny delestazy : mirongatra ny asan-jiolahy mandeha moto ao Toamasina
Saika isan’andro! Mirongatra izaitsizy ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina mandritra ny fahatapahan-jiro lavareny any an-toerana. Mitaintaina sy mandry andriran’ antsy hatrany ny mponina manoloana izany. Ny talata hariva teo, nirefotra ny poa-basy tao Anjoma, manoloana ny biraon’ny APMF. Voaroban’ny andian-jiolahy nanao taingin-droa nandeha moto ny renim-pianakaviana iray nitondra moto “Cygnus […]
Efa mpamerin-keloka : fito lahy mpangalatra voasambotra
Mpangalatra fito lahy tra-tehaky ny zandary tao Ambatolampy, afakomaly. Nampitaraina ny mponina manodidina, mirongatra ny halatra kisoa sy omby. Nanao vela-pandrika ny zandary miasa ao an-toerana. Lehilahy malaza ratsy amin’ny halatra biby fiompy no tra-tehaka teo am-pamonoana kisoa. Nahitana omby koa teo aminy nalahatra ho vonoina. Olona iray hafa voasaringotra […]