Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Antanifotsy, afakomaly, ireo andian-jatovo mihetraketraka mpitoraka fiara sady mpanakan-dalana eny amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7). Mody misotrosotro toaka ry zalahy ka rehefa mamomamo avy any amin’ny lanonana vao manao ny asa ratsiny. Ireo fiara mandalo no mitondra faisana amin’ny alalan’ny tora-bato. Misy ireo taksiborosy efa […]
Tranga
Fianakaviana voaroba : ampangain’ny taim-bala ny mpitandro filaminana
Voaroba ny fianakaviana iray, omaly misasakalina. Nirefodrefotra ny basy. Fantatra tamin’ny laharan’ny taim-bala fa fitaovam-piadian’ny mpitandro filaminana no nampiasaina. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana mahery vaika tao Ambanimaso, fokontany Soavina, kaominina ambanivohitr’Ilaka Centre, distrikan’Ambositra, omaly misasakalina. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray ny jiolahy miisa valo, nirongo fitaovam-piadiana. Nandrahona sady nanambana basy […]
Ady tao anaty « Bar » : vaky ny vavan’ilay sefo Cisco
Naratra vokatry ny katro-doha sy ny totohondry nahazo azy ny lehiben’ny Cisco iray. Tompon’antoka ny lehiben’ny distrika teo aloha, niady taminy tao anaty trano fisotroana. Vaky loha, niafara tamin’ny fifampitoriana ny fifandirana teo amin’ny ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Marolambo sy ny lehiben’ny distrika teo aloha, ny alin’ny fetim-pirenena. Efa nahazo famindran-toerana […]
Fanafihana mitam-basy: roa lahy naiditra am-ponja
Naiditra am-ponja, afakomaly, ireo roa lahy mitam-piadiana tra-tehaky ny zandary. Voasambotra tetsy Anosizato, ny alahady 2 jolay, izy ireo. Mpandeha nampiahiahy tao anaty taksibrosy mampitohy an’Antananarivo sy Arivonimamo izy mirahalahy. Nanaitra ny mpitandro filaminana anefa ny fihetsik’izy ireo mahamahana. Natao ny fisavana, sarona teny aminy ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Basy […]
Malaza ho mpanolana: maty voadaroky ny vahoaka i Dino
Malaza amin’ny fanolanam-behivavy ao an-tanànany i Dino. Noho ny tahotra, tsy sahy mitoroka ny lasibatra. Tratran’ny fokonolona izy, omaly. Voadaroka ka maty teny amin’ny hopitaly. Maty omaly maraina i Dino, jiolahy raindahiny amin’ny fanolanam-behivavy sy ny halatra isan-karazany. Tratran’ny mpiray tanàna aminy, tao amin’ny fokontanin’Andramena, any amin’ny distrikan’i Farafangana izy, […]