Tranga

Fisafoana  ataon’ny polisy: olona 3 tratra namaky trano

Manomboka manatanteraka asa fisafoana eny amin’ny elakela-trano ny polisim-pirenena amin’izao. Tanterahin’izy ireo izany rehefa manomboka maizina ny andro. Vokany, nifanehatra tamina olona telo avy namaky trano izy ireo tamin’izany, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina. Nahitana lehilahy roa sy vehivavy iray, izay nitranga teo amin’ny lalankely hiditra an’Antaninandro mivoaka Ampandrana […]

Toliara: lehilahy iray maty notapahin-doha

 Mirongatra izay tsy izy ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny faritra atsimo andrefana. Tovolahy iray no hita faty tamin’ny fomba feno habibiana tao Antanimeva, distrikan’i Morombe, afakomaly. Notapahin-doha izy ary noentin’ireo jiolahy nanaraka azy izany, hoy ny loharanom-baovao iray. Ankona ny rehetra raha nahita ity habibibana mahatsiravina ity. Niteraka resa-be teo […]

Noloarana ny kibony: ankizivavikely 10 taona sady naolana no novonoina

Ankizivavikely vao 10 taona monja no maty tamin’ny fomba feno habibiana tao Andranoboaky, distrik’Ambohimahasoa, afakomaly. Sady naolana no novonoina izy. Habibiana mahatsiravina ny natao an’ity ankizivavikely vao 10 taona monja tao Andranoboaky, fokontany Andohanisahatona, distrikan’Ambohimahasoa, faritra Matsiatra ambony ity. Naolana izy no mbola novonoina ihany koa. Afakomaly antoandro, nirahin’ny reniny […]

Mpandraharaha voatafika: norobain’ny valo lahy ny vola 6 tapitrisa

Valo lahy nirongo fitaovam-piadiana, voaroba ny vola mitetina enina tapitrisa ariary tao amin’ny tranona mpandraharaha iray anatin’ny tanànan’i  Tsaramandroso, kaominina Ambalajia, distrikan’i Maevatanana, afakomaly alina. Nanapoaka basy, tsy nisy sahy nivoaka ireo manodidina ny toerana nanaovan’ireto dahalo ireto fanafihana. Niditra an-keriny tao amina mpandraharaha iray anefa izy ireo. Nitaky vola, […]

Tadio mahery vaika: olona 35 tsy manan-kialofana

Ravaravan’ny tadio ny tokantrano maromaro tao amin’ny fokontany Soanakambana, kaominina ambanivohitra Antanambao, distrikan’Antsirabe II, afakomaly. Nandritra ny minitra vitsy, tapitra niendaka ny tafontranon’ireo mponina tao amin’ity fokontany ity.  Tsy vitan’io, nisy hatramin’ireo fianakaviana sasan-tsasany rava trano. Vokany, olona 35 tra-boina. Tsy manan-kialofana ireto fianakaviana ireto ka noraisan’ny fokontany ao an-toerana […]