Tranga

Mpivady resin-tory: kilan’ny afo teo am-pandriana

Main’ny afo teo am-pandriana izy mivady ka mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Afom-patampera namanana akoho fiompy noho ny delestazy no nandoro trano. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina ireo mpivady, may kila tao an-trano fonenany, ny sabotsy alina teo. Tao amin’ny fokontany Andranomadio Toama­sina Parisela 11/41, carreau “C” […]

Ampasika : jiolahy roa lavon’ny polisy, iray voasambotra

Rotiky ny balan’ny polisy ny jiolahy roa nandritra ny fifanjevoana tetsy Andranovaky Ampasika, ny alin’ny zoma 30 jona teo. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa mifampitaona eny amin’ny toerana iray amin’io fokontany io ireo olon-dratsy, hanafika tsenam-barotra iray ao 67 ha. Nidina ifotony, nifanehatra tamin’ireo olon-dratsy tokoa ny polisy. Nanao fihetsika […]

Fanaovana hosoka : zandary iray naiditra am-ponja

Zandary am-perinasa iray, mpanao hosoka amin’ny varotra simenitra, no naiditra am-ponja. Efa mpamerin- keloka izy, raha ny fanazavana avy amin’ny fitsarana. Nahafahana nanenjika azy ny fitorian’ny mpanjifa sy ilay orinasa lasibatra. Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’Am­ba­la­tavoahangy, ny 21 jona lasa teo, ny zandary milanja ny galona GHC iray, voarohirohy amina […]

Rehefa vita ny nataony…: vola sandoka no nomen’ilay kameroney ny mpivarotena

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny teny Ambohimahitsy, ny Kamero­ney iray, 32 taona, mbola mpi­anatra, afakomaly maraina. Niaraka tamina vehivavy iray mpivarotena izy ka nony vita ny filany dia vola sandoka 10 000Ar no nomeny azy. Nahatsikaritra vehivavy iray mpivarotena nitomany teo amin’ny sampanan’Ambohi­ma­hitsy, fokontany Ambohi­ma­hitsy, kaominina Ambohi­mang­akely, ny […]