Tranga

Tadio mahery vaika: olona 35 tsy manan-kialofana

Ravaravan’ny tadio ny tokantrano maromaro tao amin’ny fokontany Soanakambana, kaominina ambanivohitra Antanambao, distrikan’Antsirabe II, afakomaly. Nandritra ny minitra vitsy, tapitra niendaka ny tafontranon’ireo mponina tao amin’ity fokontany ity.  Tsy vitan’io, nisy hatramin’ireo fianakaviana sasan-tsasany rava trano. Vokany, olona 35 tra-boina. Tsy manan-kialofana ireto fianakaviana ireto ka noraisan’ny fokontany ao an-toerana […]

Maintirano: zaza varira 5 taona lasan’ny dahalo

Velona ny hazolava tao amin’ny fokontany Amboanara avaratra, kaominina Mafaijijo, distrikan’i Maintirano. Zazalahikely varira vao efa-taona monja no lasan’ny dahalo roa lahy, ny asabotsy alina teo tokony ho tamin’ny 11 ora alina tao an-toerana. Tamin’io fotoana io, niditra an-keriny tao amin’io renim-pianakaviana mananontena io ireo olon-dratsy ka nitaky vola taminy. […]

Fanafihana rava: jiolahy iray saika matin’ny fitsaram-bahoaka

Nikasa hanafika tokantrano iray tao amin’ny fokontany Bemasoandro, kaominina sy distrikan’Ambohimahasoa, tra-tehaky ny fokonolona ny jiolahy iray, ny marainan’ny 16 novambra teo. Telo lahy, nifarimbona hiditra an-keriny tao amina tokantrano iray anatin’io fokontany io ireto jiolahy ireo. Mailo anefa ny tompon-trano. Vantany vao nahare ny fisian’ireo olon-dratsy, niezaka nampahafantatra ireo […]

Taksiborosy tra-doza: lehiben’ny fokontany sy zazamena vava maty

Fiara mpitatitra olona iray no nitsoraka tany ambany tetezana, afakomaly tamin’ny lalam-pirenena voalohany. Lehilahy sy zazamena no namoy ny ainy. Nieren-doza ny mpandeha 21 hafa. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, afakomaly, tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Tra-doza tamin’izany ny fiara mpitatitra mampitohy an’i Kiraomena sy Tsiroanomandidy. Tapaka […]