Naiditra am-ponja ny 12 mianadahy tamin’ireo 14 voarohirohy ho mpanao trafikan-kazo. zandary ny telo ka kolonely ny iray. Miampy sivily miisa sivy mianadahy izany. Natolotra ny fampanoavana eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ao Toamasina, ny olona miisa 14 mianadahy, ny talata 31 desambra 2024. Voasaringotra tamin’ny fahatrarana hazo voamboana tsy […]
Tranga
Fanafihana : Tobin-dasantsy voaroba 7 tapitrisa Ar
Jiolahy telo lahy mitam-piadiana nanafika tobin-dasantsy ka nandroba vola 7 tapitrisa Ar tao Ambohijafy, Toamasina, manakaiky ny fivoahana amin’ny RN5, ny sabotsy 28 desambra teo. Tsy nisy nisaron-tava, nigadona teo amin’io toeram-pitsinjarana solika io, ireo tsy valahara ny harivan’io andro io. Namoaka avy hatrany ny basy teny aminy sy ny […]
Andoharanofotsy : Tra-tehaka ilay nisandoka ho inspektera
Nosamborin’ny zandary nanao fisafoana ny lehilahy nisandoka ho inspektera, teny Andoharanofotsy, ny 28 desambra teo. Nitaky vola amin’ ireo taxi-be mpitatitra eny an-toerana io mpisoloky io. Nandalo nanao ny asany, tsikaritry ny mpitandro filaminana ny fihetsika mampiahiahy ataon’io lehilahy io. Voatery nanamarina ny tena anton’asan’ilay voalaza fa mampiahiahy, araka izany, […]
Mandrosoa Ivato : Sinoa nahatrarana cocaïne tao anaty hotely
Tratra niaraka tamin’ny zava-mahadomelina mahery vaika (Cocaïne) tao amina trano fandraisam-bahiny iray eny Mandrosoa Ivato, omaly, ny teratany sinoa iray 49 taona. Nahazo fampitam-baovao mialoha ireo zandary miasa sy manao asa fisafoana eny Mandrosoa Ivato, momba ny fisian’ity sinoa mpanao trafikana cocaïne ity. Mipetraka ao amina hotely iray izy io, […]
Adiny roa nifampitadiavana: Mpianaka niara-maty natelin’ny rano
Niara-namoy ny ainy ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy vokatry ny ora-nikija tao Fenoarivobe, omaly maraina. Nentin’ny rano izy mianaka. Ora iray taorian’ny nahalasa ny rano azy, hitan’ ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ny vatana mangatsiakan’ny renim-pianakaviana iray, 34 taona, nentin’ny rano tampoka, tao Ambohimanatrika, fokontany Ankadibevava, kaominina […]





