Tranga

Ambatondrazaka : raim-pianakaviana nitambotsotra tampoka

Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray nitsirara tampoka tao Tanambao Am­batondrazaka, afakomaly. Nisy nahita nitambotsotra tampoka teo amin’ny lalana manamorona an’i Tanambao ity lehilahy ity, ny alatsinainy lasa teo. Tsy fantatra mazava izay nahazo azy. Niezaka nitondra azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana, araka iza­ny, ireo olona manodidina. Nanao izay ho afany […]

Raharaha Andohan’Ilakaka : nirohotra teny amin’ny tobin’ny zandary ny mponina

Raikitra ny savorovoro tao Andohan’Ilakaka, taorian’ilay vono olona nahatsiravina natao an’ilay renim-pianakaviana, ny alarobia teo. Omaly, nirohotra nihazo ny tobin’ny zandary ao an-toerana ny fokonolona nitaky ny hamoahana ilay lehilahy voalaza ho namono azy. Niely tao an-toerana mantsy fa voasambotry ny zandary ilay rangahy, antony nahatonga ny fokonolona saika hanao […]

Niala olona niampita tampoka: kamiao nitondra letisia nivadika tany an-kady

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tao Anjiro Vavatenina, teny amin’ny lalam-pirenena faha-22, oma­ly vao maraina. Hitondra letisia haondrana, nikasa hihazo an’i Toamasina ity kamiao tra-doza ity. Niakatra fiakarana, nivadika tampoka tany an­atin’ny kirihitra ity kamiao ity. Araka ny nambaran’ny mpamily, niala olona niampita arabe tampoka izy ka tsy voatana intsony ny familiana […]

Asan-jiolahy: lehilahy maty voavely “bois rond”, iray hafa naratra mafy

Nikasa hihazo ny trano fenenany, nifanehatra tamin’ny jiolahy ka maty voavely hazo be ny raim-pianakaviana iray ny herinandro lasa teo. Mitady hahazo vahana ny tsy fandri­­am-pahalemana ao amin’ny distrikan’i Betafo. Ny asabotsy lasa teo, mpianaka roalahy hamonjy fodiana any Ambatonikolahy no lasibatry ny asan-jiolahy. Samy voavely “bois rond” izy mianaka […]

Isotry : mpangarom-paosy roa lahy tratra

Lehilahy 18 sy 27 taona indray no saron’ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny, omaly, tetsy Isotry. Nanararaotra ny hamaroan’ ny mpivezivezy izy roa lahy ireto ka tsy nisalasala nangarom-paosy teny an-toerana. Malaza ratsy sy mampitaraina ny olona rahateo izy ireo ka narahin’ny polisy maso. Nahitam-boakany izany ka tratra am-bodiomby […]