Tsaboina etsy amin’ny Hopitaly CENHOSOA « Centre Hospitalier de Soavinandriana » nanomboka ny sabotsy teo, ireo miaramila roa lahy naratra vokatry ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo sy ny mpitandro filaminana tany Mandoto, ny herinandro lasa teo. Voan’ny bala sy naratra vokatry ny fianjerana, manaraka fitsaboana akaiky izy mirahalahy. Nanoloana io […]
Tranga
Nilaozan-dreniny nikarama: mpirahavavy kilan’ny afo!
Niara-maty tanaty haintrano ny mpirahavavy vao 10 volana sy 4 taona, afakomaly. Mbola tany am-pikaramana nanasa lamba ny renin’izy ireo no niseho ny loza. Maty tsy tra-drano! kila tsy azo nialana nenina ny zazavavy kely roa, afakomaly. Taraiky tao anatin’ny haintrano, tany Tanambao Zoara, kaominina ambonivohitr’i Fianarantsoa. Hotohoton’ny afo niaraka […]
Fetin’ny Fahaleovantena : hatevenina ny fitandroana ny filaminana
Nivory ireo vondron-kery telo samihafa, mivondrona ao amin’ny Emmo manerana ny Nosy, omaly. Nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny toby Ratsimandrava izy ireo nandritra izany. Nanaovanan’izy ireo tatitra mikasika ny fandaminana mandritra ny fetin’ny fahaleovantena hoavy izao. Teo koa ny fanaovana ny tomban’ezaka eo anivon’ireo EMMO-REG, EMMO-FAR manerana ny Nosy. […]
Very ny poketra : mpitondra taxi moto nivadika ho jiolahy
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahenina (CSP6) Ambohimanarina, teny Antanety Ambohimanarina, afakomaly, ny lehilahy iray mpanao taxi-moto nivadika nanao asan-jiolahy. Vehivavy iray nandeha hiasa alina ka nahita taxi-moto iray no lasibatra tamin’izany. Fantatra fa ho any Ivandry ity vehivavy ity ka nanakana taxi-moto izy tamin’io fotoana io. […]
Raharaha « Doris sy Nambinina » : hivoaka ny 23 jona ho avy izao ny didim-pitsarana
Ny 23 jona 2023 ho avy izao no hivoaka ny didim-pitsarana momba ilay raharaha anenjehana an’i Doris, vadin’i Mahery Lanto Manandafy sy Nambinina Herimampianina, Gasy leo, voarohirohy noho ny fihetsiketsehana tsy nahazoana alalana teny Analakely. Ho an’i Doris manokana, araka ny fanazavan’ny mpisolovava, tsy mitombina ny fiampangana azy ho nanao […]