Tranga

Nandoa 43 tapitrisa Ar : roa lahy navotsotr’ireo mpaka an-keriny

Navotsotr’ireo dahalo mpaka an-keriny tao Manga­rivotra Sarotramalona, kaominina ambanivohitr’Amba­va­sambo, distrikan’Anjozorobe, omaly, ireo roa lahy nalain’izy ireo an-keriny. Taorian’ny fifampiraharahana nataon’ny fianakaviany tamin’ireo dahalo dia nandoa vola mitentina 43 tapitrisa Ar izy ireo ho takalon’ny havany ka izao votsotra izao. Ny 16 septambra 2024 izy ireo no nalain’ny dahalo an-keriny tao […]

Mpivady voaroba : lasa ny vola 1 000 euros sy 8 tapitrisa Ar

Jiolahy telo nirongo basy sy antsibe no niditra an-keriny tao amina tokantranona iray, monina ao Ampasimazava, Toamasina, omaly mitataovovonana. Teo am-pisakafoana izy mivady no niditra an-keriny sady nanambana basy ireo olon-dratsy. Notsindromin’ireo jiolahy ny antsy ny renim-pianakaviana sady nakapokapok’izy ireo tamin’ny rindrim-bato ny lohany. Lasan’ireo mpanafika ny vola vahiny 1 000 […]

Nisy tadio nanapaka ny lalana : Vehivavy iray maty, nipitika avy tao anaty fiara 4×4

Maty nipitika avy tao anaty fiara 4×4 ny renim-pianakaviana iray, omaly, teny amin’ny Lalam-baovao Tsarasaotra. Nilaza ireo naratra fa nisy tadio nanapaka tampoka ny lalana. Nipitika avy tao anaty 4×4, maty tsy tra-drano ny vehivavy iray manodidina ny 40 taona, tetsy amin’ny Lalam-baovao Tsara­saotra, omaly maraina tamin’ny 9 ora. Mpandeha […]

Anosibe Tsena : Jiolahy iray maty voatifitry ny polisin’ny UIR

Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fanendahana ity nifanehatra tamin’ny polisin’ny UIR teny Anosibe Tsena, omaly ma­raina, ity. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy manoloana ny tsy fandriampahalemana miseholany eny amin’iny faritra iny. Ireo mpiantsena sy mpandeha fiara no tena lasibatra. Tao anatin’ny andro maromaro no nilatsaka teny an-toerana nanara-maso ity […]

Saika hivaro-janaka : naiditra am-ponja ilay ramatoa

Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ny ramatoa iray nikasa hamarotra ny zanany vao fito volana, tao Mandritsara. Nanan’olana teo anivon’ny tokantrano, nisaraka tamin’ny vadiny, ity ramatoa ity ny 2 oktobra teo. Nanita-kevitra, araka izany, izy. Niresadresaka tamin’ny vehivavy mponina teo amin’ny tanàna nisy azy ireo ihany. Noresen’io renim-pianakaviana io hividy ilay […]