Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina namoizana ain’olona indray teny Ambodisaha Imerintsiatosika, afakomaly maraina. Olona roa nandeha moto nifatratra tamin’ny taxi-be, maty ny iray. Nampihoron-koditra ! Izay no azo ilazana ity lozam-pifamoivoizana nitranga teny Ambodisaha Imerintsiatosika ity. Tovovavy roa nandeha moto hiakatra aty an-drenivohitra no nifatratra tamina taxi-be iray zotra G Imerintsiatosika. Mafy ny […]
Tranga
Nivoaka ny trano ny mpitaiza… : tovovavy 11 taona niharan’ny fanolanana
Lehilahy iray 19 taona karohin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fanolanana nihatra tamin’ny zazavavy 11 taona, tao amin’ny Fokontany Moramanga ambony, distrikan’i Moramanga, ny zoma 9 jona teo. Tsikaritr’io lehilahy io fa nivoaka ny trano ilay mpitaiza io zazavavy io, niditra mangingina tao an-trano ilay mpanolana. “Reraka avy nijery fahitalavitra aho ka […]
Nitifitra olona : dahalo raindahiny nidoboka am-ponja
Nidoboka am-ponja, ny zoma 9 jona teo, ilay mpangalatr’omby sady mpamono olona iray ikoizana tao amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana taorian’ny fampanoavana. Dahalo raindahiny, efa namono olona tamin’ny alalan’ny basy izy, ny 29 aogositra 2019. Namoy ny ainy tamin’izany ny lehilahy lehibe iray 60 taona. Nokarohina, tsy hita ity dahalo ity. Niala tao […]
Naiditra am-ponja… : tratra ireo mpanao trafika sy mpidoroka rôrô
Naiditra am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny tambajotra mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (rôrô). Tratran’ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina teny amin’ny faritra Ankorondrano, afakomaly ireo olona dimy voarohirohy tamin’ity raharaha fivarotana sy fidorohana ary firaisana tsikombakomba amin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina ity. Angom-baovao no nahafahan’ny polisy nandeha […]
Mampikony : tratra i Goralahy mpaka an-keriny
Tratra ihany! Nokarohina nanomboka ny taona 2017, voasambotry ny zandary tao amin’ny distrikan’i Mampikony i Goralahy, dahalo mpaka an-keriny. Lehiben’ny dahalo mpanao io asa ratsy io mihitsy izy raha ny fanazavan’ny zandary. Nitondra takaitra tamin’ny fakana an-keriny nataony niaraka tamin’ireo namany ny tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampasimatera. Nitory teny anivon’ny […]