Lavo nandritra ny fifandonana teo amin’ny zandary ny malaso raindahiny, fantatra amin’ny anarana hoe : Lezafy Vazaha, tao Ankisatra, kaominina Akondromena, distrikan’i Miandrivazo, omaly maraina. Nahazo angom-baovao mialoha ny zandary fa hisy dahalo hanafika ao an-tanànan’Ankisatra, omaly. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary niaraka tamin’ny fokonolona. Tonga tokoa ireo andian-dahalo nikasa […]
Tranga
4X4 niharan-doza : maty tsy tra-drano ny mpamily, telo naratra
Mpamily iray maty, olona telo naratra vokatry ny lozam-pifamovoizana teny amin’ny lalam-pirenena RNT12a, teo Bekabaro, fokontany Manambondro, distrikan’i Vangaindrano, ny talata 1 oktobra teo. Nikasa hizotra hianavatra ireo olona efatra tao anatin’ny fiara izay avy namita hiraka manokana tao Manambondro. Mpiasa amin’ny tambajotram-pifandraisana matanjaka eto an-toerana izy ireo. 2 km […]
Nandoa 70 tapitrisa Ar : navotsotr’ireo mpaka an-keriny ilay Vehivavy
Navotsitr’ireo mpaka an-keriny tao Andranonampanga, kaominina ambanivohitr’Ambakireny, distrikan’i Tsaratanàna ny vehivavy iray 61 taona nalain’ny dahalo an-keriny rehefa avy nandoa vola 70 tapitrisa Ar ny fianakaviany. Ny 23 septambra 2024 alina, nalain’ny dahalo an-keriny tao amin’ny fokontany Morarano Chrome Amparafaravola ity renim-pianakaviana ity. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary ka […]
Fanaparitahana fitaovam-piadiana : mpivarotra bala naiditra eny Antanimora
Manaparitaka fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, lehilahy iray niakatra fampanoavana tetsy Anosy, omaly. Notanana am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana izy. Nivarotra bala tena izy, naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny lehilahy iray, omaly. Manana toeram-pivarotana manokana izy teo Antanimena. Sarontsaromany amin’ny famarotana « airsoft » na ireny fitaovam-piadiana plastika maka tahaka amin’ny tena izy […]
Alakamisy-Anosiala : nandoa ra, lehilahy hita faty tao an-tranony
Namoy ny ainy irery tao an-tranony, lehilahy iray hita faty tao amin’ny fokontany Anjanamasina, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, omaly. Nitaraina ho marary vavony tamin’ny reniny io lehilahy io ny harivan’ny alatsinainy 30 septambra. Nandoa ra anefa izy tamin’io fotoana io. Nandroso alina ny andro ka samy natory kinanjo tsy nisy aina […]




