Tranga

Hazalambo: dahalo iray azo sambo-belona, omby 200 tafaverina

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny iray tamin’ireo dahalo niaraka tamin’ny basy niampy ireo omby 200 nangalarin’izy ireo, tao Andavarary ambony, distrikan’Analalava, ny faran’ny herinandro teo. Anatin’ny hetsika famongorana ireo mpangalatr’omby ao amin’ny faritra Sofia, nanao be midina ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny vondro-tobim-paritra ao an-toerana. Nanao fisafoana ireo kizo malaza ratsy […]

Ilafy : dimy lahy nidoboka am-ponja

Toarian’ny fampanoavana, naiditra am-ponja vonjimaika ireo dimy lahy saron’ny zandary nangalatra varavaram-by tetsy amin’ny fokontany Ambo­hibe, kaominina Anka­dikely, ny 9 jona teo. Ny alin’ny 6 jona hifoha ny 7 jona, niara-nangalatra ireo entana ireo izy dimy lahy ireto ka nitatitra izany mangingina. Nifanehatra tampoka tamin’ny mpitandro filaminana manao fisafoana amin’ny alina anefa izy ireo. […]

Halatra taova : Tovolahy iray nisy naka ny voamasony roa

Nampihoron-koditra! Tovolahy iray no nisy naka an-keriny, ny herinandro teo, tao amin’ny fokontany Tsiandamba kaominina ambanivohitr’i Tsifota Toliara II. Nalain’ireo nahavanon-doza ny voamasony roa ka naratra mafy izy. Raha ny tatitra nampitain’ireo nahita ny zava-misy tany an-toerana, teny an-dalana hamangy ny fianakaviany any Antseva no nentin’ireo olon-dratsy tany anaty ala. […]

Antohomadinika : mpianaka mpanaparitaka rôrô

Noraisim-potsiny! Maro ny fitarainana voarain’ny polisy mahakasika ireo tanora mandray zava-mahadomelina eny Antohomadinika. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny polisy manao fanamaniana sivily avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) 67ha teny an-toerana. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa mpianaka no anisan’ny mpanaparitaka roro ao Antohomadi­nika atsimo. Tratra teo am-panaovana […]

Ravan’ny alika mpitsongodia… : tratra ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina

Ravan’ny zandary tamin’ny alalan’i Matt (alika mpitsongodia an’ny zandarimaria) ireo tambajotrana mpivarotra rongony eny Morondava/Antehiroka. Tokantranona raim-pianakaviana iray 64 taona no na­naovan’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka sy ny ekipan’ny CRFDC Ivato nitondra an’i Matt, mpitily manokana momba ny zava-mahadomelina, fisavana sy fidinana ifotony. Taorian’ny fisavana ny trano sy ny manodidina no nahatrarana taratasy famonosana rongony hamidy […]