Tranga

Mandritsara : vehivavy hita faty tao anaty rano

Natsingevan’ny rano ny fatim-behivavy iray tao Ma­rotandrano, distrikan’i Man­dritsara, omaly. Mpandalo maraina no nahita olona natsingevan’ny rano efa tsy misy aina intsony. Taitra, niantso vonjy tamin’ny ma­nodidina izy hijery ny zava-nisy. Vehivavy mponina anatin’io tanàna io ihany ity hita faty ity. Nikasa hamonjy alim-pandihizana, nivoaka ny trano izy ny alatsinainy […]

Tale nahafaty olona : mitaky fitsarana ara-drariny ny ao Antsohihy

Hotanterahina ny talata 13 jona izao any an-drenivohitry ny faritra Sofia, ny fitsarana ilay lozam-pifamoivoizana ni­tranga ny 20 novambra 2022, tany Ambendrana. Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana, nodomina fiaram-panjakana, nentina tale iray miasa any an-toerana. Nambaran’ireo fianakavian’ny maty fa manantena sy miandrandra fitsarana madio sy araka ny rariny ary mangarahara […]

Vono olona tetsy Ambatolampy Tsimahafotsy : voasambotra ilay jiolahy nahavanon-doza

Tra-tehaka, omaly, ny jiolahy namono nahafaty ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena misotro ronono, tao Ambatolampy Tsimahafotsy. Mpiambina taloha tao amin’io toerana namonoany ny tompon-trano io ihany izy. Sarona, omaly, tao Anta­netibe Anativolo, Anjo­zorobe, ny lehilahy iray nihazona ny moto halatra sy ny findain’ilay namoy ny ainy vokatry ny asan-jiolahy tetsy Ambatolampy […]

Zava-mahadomelina : lehilahy nahatrarana rongony 150 fonosana

Mpamatsy rongony ao an-tanàna, saron’ny zandary ny lehilahy iray ikoizana amin’ny fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina ao Antanifotsy, ny 1 jona teo. Naharay loharanom-baovao tamina tsara sitrapo, niroso tamin’ny fisavana ny tranon’io lehilahy voatondro io ny zandary taorian’ny fahazoana alalana tamin’ny fitsarana. Tratra tao ny rongony milanja 500 grama, natao anaty […]