Tranga

Ankadikely Ilafy: Vehivavy latsaka tany an-davapiringa

Nifamonjen’ny sampana mpamonjy voina, avotra soa aman-tsara, ny renim-pianakaviana iray latsaka tao an-davapiringa an-dalam-panamboarana tao Ankadikely Ilafy, omaly. Nivoaka ny trano niaraka amin’ny zanany io ramatoa io. Tsy nisy fefy, izay amoron-dalana. Varimbariana rahateo ilay ramatoa ka tsy nahatsikaritra. Nisolafaka tampoka tany amin’ ny faritra izy kinanjo nilatsaka tampoka. Nihikiaka, […]

Nidona tamin’ny kamiao : Mpitondra moto maty tsy tra-drano

Namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy nateraky ny lozam-pifamoivoizana ny raim-pianakaviana iray tao Toamasina, omaly. Mpandraharaha iray ao amin’ny faritra Atsi­na­nana matin’ny lozam-pifamoivoizana, tao Cité Valpinson, tampon-tanànan’i Toamasina, omaly tolakandro tamin’ny 1 ora sy sa­sany. Nandeha moto io raim-pianakaviana io. Nifa­nindry an-dalana taminy anefa ny kamiao lehibe iray. […]

Naiditra am-ponja eny Antanimora : Telo lahy nahatrarana Skunk sy Métamphétamine

Niakatra fampanoavana, omaly, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ireo telo lahy voarohirohy tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Raha ny vaovao voaray avy amin’ny polisy, lehilahy roa voasambotra tany Antsaha­meva, izay nahitana rongony “Skunk” 30 fonosana, ary iray hafa kosa tratra tao Ankadim­bahoaka, izay nahitana 5 grama amin’ny “Méthamphé­tamine”. Raha […]

Nifampitifitra tamin’ny zandary : 15 lahy maty, sefo fokontany ny iray

Maty nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary ny lehilahy 15, tany Maintirano. Voalaza fa mpanara-dia jiolahy nivadika ho mpandroba sy mpanakan-dalana izy ireo. Maty lavon’ny balan’ny zandary tao Antani­mena -Antanandava, distrikan’i Maintirano, ny talata 4  desambra teo, ny lehilahy miisa 15. Lehiben’ny fokon­tany ny iray. Nifampitifitra ta­min’ny mpitandro filaminana nandritra ny […]