Tranga

Nanolana ny zanak’anabaviny : notanana am-ponja ilay nahavanon-doza

Voasaringotra tamin’ny raharaha fanolanana misesy, niakatra fampanoavana ny raharaha ka notanana vonji­maika any am-ponja ilay lehilahy. Niakatra fampanoavana omaly, nohazonina am-ponja miandry ny fotoam-pitsarana azy, ny lehilahy voatondro ho nanolana ny zanak’ anabaviny, tao amin’ny kao­minina Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana. Zazavavy 11 taona naolan’ny anadahin-dreniny imbalo nisesy. Nanam­paran’io lehilahy io ny […]

Fifanosehana ; renim-pianakaviana iray namoy ny ainy

Namoizana aina ny fifanosehana nataon’ny fokonolona tao Analamahitsy, omaly. Aman’aliny, ny vahoaka tonga hijery lanonana tao an-toerana. Nifanintsa-kitro, samy nanao izay haha tafiditra azy ny mponina avy amin’ny boriborintany rehetra eto an-dRenivohitra. Tsy voafehin’ny tomponandraikitra intsony ny fifanosehana nisy teo amin’ ireo olona ireo ka nisy nianjera tamin’ny tany. Voahitsaka, […]

Voafandriky ny fokonolona : dahalo matin’ny fitsaram-bahoaka

Nahitam-bokany ny ezaka momba ny fanentanana ny tagnamaron’ny fandriampahalemana tao amin’ny kaominina Andrea sy ny manodidina, distrikan’i Maintirano, ny sabotsy teo. Nampahafantarina ny fokonolona fa karohina fatratra ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe i Limbisoa na i Limby, malaza ratsy amina fanafihana mitam-piadiana, halatra omby, vono olona ao amin’io […]

Namono tena : lehilahy nitsoraka tao ambany taksiborosy

Lehilahy iray maty tsy tra-drano nitsoraka tao ambany fiara taksiborosy tao Mangarivotra, fokontany Marofody, kaominina ambanivohitr’ Ambinaninony, distrikan’i Brickaville, Pk 286 + 800, ny sabotsy tolakandro teo. Tao anaty fiolahana ankavanan-dalana no nitranga ny loza. Nisy lehilahy iray nanatona ny fiara Sprinter mpitatitra olona amina kaoperativa iray mampitohy an’i Brickaville […]

Tsy mifidy intsony : lasan’ny jiolahy ny manga iray sobika teny Anosibe

Ranomaso sisa ny an’ny renim-pianakaviana iray very manga iray sobika teny amin’ny tsenan’Anosibe, omaly. Mipetraka eny Andavamamba ity renim-pianakaviana ity fa tonga maka entana toy ny fanaony eny an-tsenan’Anosi­be. Mpivarotra legioma sy voankazo izy. Efa azo daholo ny entana tamin’io fotoana io. Nisy tovolahy iray nilaza fa mpibata entana ka […]