Tsy nanampo na inona na inona, maty tampoka nodomin’ny fiara teny an-tsisin-dalana ny zazavavy mpianatra iray. Hamonjy fodiana izay no tra-doza tao Ambositra, omaly. Nirava avy nianatra, niharan-doza tampoka ka namoy ny ainy ny zazavavy iray 9 taona tao Atsinanan’i Vinany, Ambositra I, omaly tamin’ny 11 ora sy fahefany. Nanaraka […]
Tranga
Mandritsara : lehilahy tratra teo am-pamakiana trano
Niditra antsokosoko tao an-tranon’olona, tao amin’ ny fokontany Ampitatsimo, kaominina Mandritsara, ny lehilahy iray, omaly tamin’ ny 10 ora maraina. Tratra teo am-pangalarana anefa izy. Nokasainy hamidy ny ordinatera sy ny vatoaratra tao anatin’io trano nidirana mangingina io. Taitra tampoka anefa ny ramatoa iray tompon-trano izay avy niantsena raha nahita […]
Isotry : tratra ny jiolahy nifanenjehan’ny polisy
Tsy mety fay mihitsy! Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahefatra (CSP4), teny Anatihazo Isotry, omaly, ny ny jiolahy iray malaza ratsy amin’ny sinto-mahery. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy amin’ny hafitsok’ireo jiolahy amin’iny faritr’Isotry iny. Nametraka paikady ny polisy, amin’ny alalan’ny fanaraha-maso teny amin’ny manodidina an’Anatihazo Isotry. Teo no […]
Ankazobe : mpangalatra moto efatra voasambotra
Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana ny mpangalatra moto efa-dahy tao Ankazobe, afakomaly. Nifampitadiavan’ny tompony ny moto roa lehibe izay nalain’ny jiolahy. Nanao ny fikarohana taorian’ny fitarainan’ny tompony avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Tamin’ny alalan’ny tsara sitrapo, fantatra fa ao amin’ny kaominina ambanivohitra Marondry no nahitana ilay moto iray. Nidina nijery […]
Ankazobe : mpiray petsapetsa amin’ny dahalo nigadra
Ramatoa roa niray tsikombakomba tamin’ny jiolahy nidoboka am-ponja ao Ankazobe, afakomaly. Anatin’ny fanohizana ny famongorana ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny doro trano nahafatesana olona tao Ambohitriniandriana, fokontany Anosikely, kaominina Ambolotarakely, distrika Ankazobe, ny zandary. Voasambotra ny faran’ny herinandro teo ny vehivavy roa voalaza ho mpiray tsikombakomba tamin’ireo olon-dratsy nahavanon-doza. Tsy vitan’ny […]