Maty vokatry ny fanolanana nataon’ny raikeliny i Maurena kely tao Andrainjato Fianarantsoa, ny alakamisy teo. Naiditra am-ponja io raikely nahavanon-doza io. Aiza ihany ilay lalàna momba ny famosirana e! Niady tamin’ny fahafatesana, tsy tana ny ain’i Maurena kely, ilay zaza 7 taona niharan’ny fanolanana tao Ankiady, fokontany Antanifotsy V Andrainjato, […]
Tranga
Nanimba entan’olona : jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka
Matin’ny fitsaram-bahoaka ny iray tamin’ireo jiolahy nanafika tao Ramainandro, distrikan’i Faratsiho, ny 27 novambra hariva teo. Nidiran’ny jiolahy dimy nisaron-tava ny tranon’ny renim-pianakviana iray tao amin’io kaominina io. Voalaza fa sotasota fotsiny no nataon’ireo mpanafika satria nokapain’izy ireo ny antsy ny omby roa nifatotra tao am-bala. Tsy vitan’izay fa mbola […]
FIARABE nentin’ny ranotrambo: fito namoy ny ainy, maro ireo tsy hita popoka
Zaza telo sy olon-dehibe efatra, namoy ny ainy vokatry fivadihan’ny fiarabe rehefa niampita tetezana tao Betroka, omaly tamin’ny 5 ora hariva. Nitondra mpandeha 130 raha ny voasoratra tao anaty manifold-n’ny fiara, lasan’ny ranotrambo io fiara fitateram-bahoaka io. “45 ireo avotra soa aman-tsara hatreto ary fito no voamarina fa namoy ny […]
Renoky ny torimaso : Zaza varira nobatain’ireo jiolahy
Votsotra teny am-pelatanan’ireo malaso noho ny ezaka nataon’ny zandarimariam-pirenena nandritra ny fanarahan-dia ny zazavavy varira iray, ny alarobia teo. Tao Mahazoarivo, kaominina Elonty, distrikan’Amboasary Atsimo, no nahazon’ny zandary ity zaza ity rehefa nalain’ny dahalo antsokosoko tao Betroka. Nisy naka an-keriny tao Betroka, ny alin’ny zoma 8 novambra lasa teo, io […]
Nihotsahan’ny tany : dimy lahy maty teo am-pitrandrahana volamena
Mpitrandraka volamena dimy maty nifampisokirana tao ambanin’ny ranontany ny alarobia 27 novambra teo. Mbola misy roa naratra, tao Maevatanàna. Nianjeran’ny ranontany teo am-pitrandrahana volamena, dimy lahy niara-namoy ny ainy tao Amboloando, fokontany Mandraty, kaominina Antsiafabositra, distrikan’i Maevatanàna, ny alarobia teo. Samy mpiady volamena ao amin’io toeram-pitrandrahana io, tsy nisy nanampo […]





