Tra-tehaky ny mpianatry ny oniversite ny mpangalatra tao amin’ny Campus Barikadimy, ny 30 novambra teo tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Niditra antsokosoko tany amin’ny faritra misy ny trano fonenan’ny mpianatra io lehilahy io. Nanararaotra ny andro maizina, nangalariny ny ordinatera iray. Tsikaritry ny iray tamin’ny mpianatra ny fisian’io olona […]
Tranga
Mpamongady telo voatafika : vehivavy ny iray amin’ireo jiolahy nandroba
Fihantsiana! Izay no azo ilazana ny fanafihana nataon’ireo jiolahy tao Mangarano Toamasina, ny zoma tolakandro teo. Tranombarotra telo no indray notetezin’ireo mpanafika… Mpamongady telo be izao no indray notetezin’ny jiolahy tamin’io fotoana io. Samy amoron-dalana ireto tranombarotra notafihan’ny jiolahy ireto. Tao anatin’ny fotoana nahamaro ireo olona nifamezivezy teny an-dalambe no […]
Betroka : Tafakatra sivy ireo namoy ny ainy
Mpandeha sivy voamarina fa namoy ny ainy, omaly, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tao Betroka. Nitondra mpandeha avy any Amboasary Atsimo nikasa hihazo an’Ilakaka io karandalana mpitatitr’olona io. Nentin’ny ranotrambo tampoka ny fiara teo amin’ny tetezana ao anatin’ny tanàn’i Betroka, tamin’ny 5 ora hariva, ny 28 novambra teo. Nivadika ny fiara […]
Nanapaka ny tendan’ny namany: Voaheloka an-terivozona Ralinasinavola
Niakatra teny amin’ny fitsarana ambony Toamasina, sampana misahana ny ady heloka bevava, omaly ny antontan-taratasin’ady laharana faha-129-Toa/24. Trangana vono olona niseho tao Ambalatenina, kaominina ambanivohitra Fetraomby, disitrikan’i Brickaville, ny 17 marsa 2023. Raha ny fifandaharana nandritra ny fitsarana, niaraka avy any ambanivohitr’Ambalatenina nitondra akondro manta namidy tany Brickaville Ralinasinavola sy Sampilahy […]
Hasarotam-piaro : Jiolahy namono ny namany
Niakatra fampanoavana omaly, telo lahy niara-notanana am-ponja tao Mandritsara. Namono ny sakazainy ny lehilahy iray tamin’ireo telo lahy. Voasaringotra noho ny halatra omby kosa ny roa. Nitrangana vono olona nahatsiravina tao amin’ ny fokontany Ambohimandroso, ny 7 novambra lasa teo. Simba tanteraka ny vatan’ilay vehivavy izay nanamparan’io sakaizany io habibiana. […]





