Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny PPA Ampefiloha teny Andranomanalina, omaly, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana. Hita teny aminy koa ny sabatra lavalela iray fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny. Nisy ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fanendahana miseholany amin’iny faritr’Isotry sy Ampefiloha iny. Manoloana izany, nanamafy ny fisafoana fanaony […]
Tranga
Ambohimangakely: mpisoloky tany efatra nidoboka am-ponja
Mamorona taratasy hosoka, olona miisa dimy misoloky tanin’olona voasambotra teny amin’ny kaominina Ambohimangakely, ny talata 30 mey teo. Tany lehibe mirefy 2,5 ha, nokasain’ireto dimy mianadahy ireto hamidy tamin’ny alalan’ny taratasy hosoka. “Manana tompony saingy efa maty ary misy mpandova io tany io”, araka ny nambaran’ny zandary. Renim-pianakaviana efa mananika […]
Voaroba ny vola sy ny Moto: raim-pianakaviana maty voatifitry ny jiolahy
Narahina moto roa nentina jiolahy, maty voatifitra ny raim-pianakaviana iray omaly maraina tamin’ny 9 ora sy sasany. “Mpiasa amina orinasa io lehilahy io ary nitondra moto”, hoy ny fanazavan’ny polisy. Tsy nampoiziny anefa narahina jiolahy mitam-piadiana izy. Moto roa ireo nanaraka azy. Nasain’ireo olon-dratsy nidina ny moto io lehilahy io. […]
Fetin’ny Pantekoty : 4 ireo namoy ny ainy, 5 namono tena
Niakatra ny tahan’ireo olona tonga nizaha fahasalamana teny anivon’ny hopitaly HJRA Anosy, nandritra ny Alahady sy Alatsinain’ny Pantekoty lasa teo, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny hopitaly omaly. “Manodidina ny 209 izy ireo ary 23 ny naiditra hopitaly nandritra izany”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny hopitaly HJRA, Rafiliposon […]
Nampiasana alika mpitsongodia…: tratra ny jiolahy mpangala-bary eny an-tanimbary
Manararaotra ny fiakaram-bary! Noho ny fotoanan’ny fararano, fiakaran’ny vary, manao latsak’alina mangalatra ireo vary eny an-tsaha koa ny jiolahy. Tantsaha iray monina ao Ambohitrambany, fokontany Volaniray, kaominina Mahavelona, distrikan’ Ankazobe no lasibatry ny hala-bary matetika. Araka ny fanazavany, intelo niverenan’ ny mpangalatra nojinjaina amin’ny alina ny variny eny an-tsaha ka […]