Maty tsy tra-drano ny ankizilahy mpiray tampo vokatry ny lozam-piarakodia mahatsiravina nitranga tao Ankazondrano Fianarantsoa, omaly tolakandro. Notrongisin’ny kamiaobe iray tapaka hisatra ny moto nentin’ny raim-pianakaviana iray niaraka tamin’ireto zanany roa lahy. Hanatitra ireo zanany hianatra ity raim-pianakaviana ity kanjo izao tra-doza tampoka izao izy telo mianaka. Raha ny fampitam-baovao […]
Tranga
FANAFIHANA CASH POINT: Jiolahy efatra trata tany Ilafy
Voasambotra ny sabotsy 30 novambra teo, ny fahatelo tamin’ireo olon-dratsy tompon’atoka tamin’ny fandrobana Cash point teny Manjaka Ilafy. Nanaovan’ny polisy fanadihadiana lalina ny momba io tranga fanafihana toeram-pandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday teny amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy io. Naharatrana renim-pianakaviana iray nandritra ny fandrobana nataon’ny jiolahy mitam-piadiana, ny 30 aogositra lasa […]
Nanadio lavadrano teny Ankaraobato : lehilahy maty sempotry ny entona
Namoy ny ainy noho ny hasemporana ny lehilahy iray nanadio lavadrano tao amin’ny kaominina Ankaraobato, omaly maraina. Nifamonjena izy saingy tsy tana ny ainy. Maty am-perinasa ny lehilahy iray, mpiady fantsakana, omaly. Sempotra tao anaty lavaka izy, araka ny fitantaran’ny mponina eny amin’ny fokontany Morarano Ifarihy, kaominina Ankaraobato. Tra-doza teo […]
Fipoahana herinaratra : trano enina kilan’ny afo
Trano enina no may tao Analankininina Hopitalibe, Parcelle 12-21/22, afakomaly alina. Nitrangana fahatapahan-jiro matetika tao an-toerana ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 1 desambra. “Indroa tapaka ny jiro. Nisy zavatra nirefotra tampoka taorian’izay”, hoy ny loharanom-baovao. Nirehatra ny trano iray ka nihitatra. Nahazo ireo trano nifanila taminy ny lelafo. Nikoropaka […]
Notadiavin’ny fitsarana : dahalo roa maty voatifitry ny zandary
Maty voatifitry ny zandary nandritra ny fifanenjehana tao Maroharona, fokontany Ambalamarina, kaominina ambanivohitr’Ambatomifanongo, distrikan’Ambatofinandrahana, ny zoma teo, ny dahalo roa lahy. Nahazo fampandrenesana avy amin’ny sefo fokontanin’Ambalamarina ny zandary momba ny fisian’ireo andian-dahalo nanafika tao amina tokantrano iray. Lasan’ ireo dahalo nandritra io fanafihana io ny omby efatra. Nanao fanarahan-dia […]





